· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Desambra, 2018

Ny Solosaina Findain'ny Solombavambahoaka sy ny Maripahaizana Lisansy ho an'ny Filoha

  26 Desambra 2018

Niteraka fitroarana ny adihevitra mafana mikasika ilay drafitrasan'ny DPR (Solombavambahoakan'i Indonezia) hanova ny lalàmpanorenana, hamadihana ny maripahaizana Lisansy ho zavatra takína mialoha amin'ireo rehetra hirotsaka hofidína ho filoham-pirenena. Mahaliana be ireo bilaogera indoneziana ihany koa ny olana mikasika ilay fikasan'ny DPR hividy solosaina finday ho an'ny mpikambana tsirairay ao aminy.

Indonezia: Fankahalàna Anaty Aterineto

  05 Desambra 2018

Tsy dia tsara loatra ny fifandraisan'i Indonezia sy i Malaizia tato ho ato noho ny samy filazan'ny roa tonta ho tompon'ireo rakitry ny ela ara-kolontsaina zarainy. Manoratra mikasika ilay fifandirana anaty tambajotra eo amin'ireo mpampiasa aterineto avy amin'ireo firenena roa ireo i Carla.

Indonezia: Hafanana Ateraky ny Amboara Eran-tany & Bilaogin'ny Minisitra

  05 Desambra 2018

Na dia tsy mahatratra ny dingana farany amin'ny Amboara Erantany amin'ny Baolina Kitra/'Soccer' mihitsy aza i Indonezia taorian'ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1945, ny soccer foana no fanatanjahantena malaza indrindra ao amin'ny firenena. Noho izany, nanokana lahatsoratra momba ny Amboara Eran-tany atao any Alemaina ireo bilaogera maro ao an-toerana.