Tantara mikasika ny Indonezia tamin'ny Janoary, 2018
PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany
Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.
‘Nandresy ny Fitiavana Androany Satria’ Notsipahin'ny Fitsarana Indoneziana Ny Fitakiana Hanamelohana Ny Firaisan'ny Samy Lahy sy Samy Vavy
Nolavin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana Indoneziana (Mahkamah Konstitusional na MK) ny fangatahan'ny vondrona Islamika mpandala ny nentim-paharazana mba handràra ny firaisana ara-nofo ivelan'ny fanambadiana sy ny firaisana ara-nofo eo amin'ny samy lahy na samy vavy.