Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Janoary, 2022
Zava-misy niadian-kevitra: ‘Bombtrack’ sy ny ady mitam-piadiana anatiny ao Però
"Nasehon'ny tarika ho toy ny fikomiana amin'ny 'rafitra kapitalista Yankee' ny Sakelika Mamirapiratra, saingy maro ny Peroviana mahatsiaro ny fikambanana ho toy ny mpandray anjara tamin'ny vanim-potoana maizina rehefa nifoha tao anatin'ny tahotra hody an-trano ny olona."
Sarotra ny rariny ho an'ilay mpanangom-baovao Kolombiana indizeny nisy namono
Resy lahatra amin'ny maha-zavadehibe ny fifandraisana vokarina avy amin'ny tany kasainy ho afaka ireo mpanao gazety indizeny toa an'i José Abelardo Liz.
Nesorin'i Google ny doka YouTube ahitana ny famotopotorana ireo gadra politika Belarosiana
Nampiasaina hampiroboroboana ireo fantsona mpomba ny governemanta ireo lahatsary fohy, izay manasongadina ireo mpikambana ao amin'ny mpanohitra sy ireo mpanao gazety mahaleo tena nogadrain'ny fitondrana Lukashenka izay toa hita fa fiaiken-keloka natao tao anatin'ny fanerena.
Manambara ny fikatonany ny seha-baovao iray mahaleotena ao Hong Kong antsoina hoe Citizen News
Natsangan'ny mpanao gazety menavazana tamin'ny taona 2017 ny Citizen News. Tamin'izao filazana ny fikatonany izao, nilaza ny ekipam-baovao fa tsy afaka manatanteraka ny idealiny tsy misy fanahiana ry zareo.
Tsy niraharaha ny fangatahan'ny governemanta malayziana hanivana sioka momba ny famaliana tondra-drano ny Twitter
Voapetaky ny governemanta malayziana marika hofafàna ny rantin'ireo mpisera Twitter mitsikera ny fitarazohan'ny fomba fiasan'ny governemanta tamin'ny tondradrano, nampahafantarin'ny Twitter ny mpiserany ny fangatahana fa tsy nosivaniny.
Tantara 10 momba ny mari-panondroana mainty sy vazimba avy ao Amerika Latina tamin'ny taona 2021
Vakio ireto tantara 10 miresaka ny mari-panondroana sy ny fiahiana ny tontolo iainana ary ny fisoloantena anjotran'ny maity sy ny vazimba ireto.
Resin'ny mpampiaina radiôm-piarahamonina indizeny tany amin'ny Fitsarana inter-amerikana ny Fanjakana Goatemalteka
"Kihon-dalana ho an'ny radiôm-pokonolona ao Goatemalà ny didy nivoaka", hoy ny iray amin'ireo tobim-pampielezampeo nametraka ny fitoriana.