· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Asongadina tamin'ny Mey, 2013

‘Tsunami Malayziana’ Manohitra Ireo Tsi-Fetezan'ny Fifidianana

  12 Mey 2013

An'aliny ireo olona tao Malaizia no nifamory tao amin'ny kianjaben'i Kelana Jaya izay akaikin'ny renivohi-pirenena tamin'ny 8 mey 2013 hanohitra ny vokatra navoaka farany nandritra ny fifidianana ankapobe faha-13. Nampitandrina ny governemanta fa mety hampangaina ho manao fiokoana ny nandray fitenenana sasantsasany. Nanambara ny mpanohitra fa mbola hisy ny famoriam-bahoaka hafa.

Senegaly : Ny « Vaovao Vita Rap », Vaovao An-tSary Tsy Manara-Penitra

  10 Mey 2013

Nahita vaovao an-tsary amin'ny endrika vaovao ny mpijery fahitalavitra ao Sénégal, vaovao atolotry ny mpiangaly rap roa malaza ao an-toerana dia i Xuman (39 taona) sy i Keyti (40 taona), iresahana vaovao politika sy sosialy ary iraisampirenena amin'ny teny wolof sy frantsay. Manazavazava amin'i Anna Guèye ireo artista.

Famoronan-Tantara Ao Erbil

Rising Voices  10 Mey 2013

Tamin'ny volana lasa, namoaka lahatsoratra teny fampidirana momba ny Storymaker izahay, fampiharana finday eo an-dalam-pandrafetana. Natokana ho an'ireo mpanao gazety manerantany hanatsarany ny fahaizany mitantara (storytelling) amin'ny aterineto ny tetikasa izay tohanan'ny Global Voices, Free Press Unlimited, (Foibe Iraisam-pirenena ho an'ny asa fanaovan-gazety) International Center for Journalism ary ny Guardian Project. Halefa miandalana eny ihany ny...

Sivanin'i Shina Ny Hetsi-Panoherana Fananganana Orinasa Shimika

  07 Mey 2013

Nidina an-dalambe ny mponina ao atsimo andrefan'i Shina ao Kunming tamin'ny 4 Mey 2013 ho fanoherana ny mety hamokarana vokatra shimika misy poizina ao amin'ny orinasa iray eo akaikiny. Araka ny nolazain'ny fampitam-baovaom-panjakana, mana-pikasana ny hanangana orinasa shimika (mpanao fanafody) eo anilan'ny tanànan'i Anning ny Vondron'Asa Nasionalin'i Shina Mpitrandraka Solika...

Mbola Hanjakazaka Amin'ny Fifidianana Hatrany Ve ny Antoko Nitondra Tao Malaizia Nandritra ny 50 taona?

  06 Mey 2013

Lohahevitra nanakoako tamin'ny Fifidianana Ankapobeny faha-13 notontosaina ny 5 mey 2013 tao Malaizia ny fikaroham-piovana, na ‘ubah’ (ova amin'ny teny Malay). Misy teny filamatra malaza miverimberina manao hoe ‘ini kalilah, ubah’ izay midika hoe ‘manodidina izao fotoana izao, manatona ny fiovana’. Tamin'ny fitenenana izany, tsy mazava loatra ny ho fizotry...

Brezila : Fampanantenana Poakaty Nahatezitra ny Amazoniana Manamorona ny Rio Madeira

  03 Mey 2013

Ity tantaran'i Ana Aranha nitondra lohateny tamin'ny voalohany hoe Vidas em Trânsito na “Fiainana Mandalo“, izay miresaka momba ny fiantraikan'ny tetikasam-panorenana goavana manamorona ny reniranon'i Madeira ao amin'ny fanjakan'i Rondônia, Brezila, ity dia ampahany amin'ny andian-dahatsoratra manokan'ny ny Ivotoeram-panaovan-gazety famotorana Breziliana #AmazôniaPública. Havoakan'ny Global Voices ao anatin'ny lahatsoratra dimy izany.   Fony...

Venezoela : Mampiseho Harefon'ny Foto-kevitr'i Chavez Ny Valim-pifidianana

  02 Mey 2013

Ny valim-pifidianana filoham-pirenena natao ny alahady 14 aprily 2013 dia nahitana taratra sahady ny fanombohan'ny fihemoran'ny foto-kevitra Chavez. Ny elanelana izay tsy misy afa-tsy isan-jato roa sy ny fitarainana samihafa marobe mikasika ny tsy ara-dalàna (eo amin'ny tranga 3.200) nandritra ny asa no nitarika ny Governoram-panjakàn'i Miranda, Henrique Capriles Radonsky, tsy hanaiky ny vokatra [es] raha tsy misy fitsirihana sy famerenana ny fanisam-bato atao tànana