Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.
Ny 15 Martsa, nanamarika ny tsingerintaona voalohany ny revolisiona Siriana niaraka fitomboan'ny fahavononana izay nanamarika ny fanombohany. Tamin'io andro io dia marobe ireo mafàna fo manerana izao tontolo izao no nifamotoana ho amin'ilay Diabe Manerantany Hanoherana Ny Mpanao Jadona Siriana raha nifandamina kosa ireo mpanao hetsi-panoherana tany aminà tanaàna maro nanerana izao tontolo izao hanohana ny tolona Siriana.
Libanona, mpifanolobodirindrina amin'i Syria, sy ny renivohiny Beirut, dia tsy lavitr'izay zava-mitranga rehetra na eo aza ireo olana momba ny fahalalahana maneho hevitra faramparany teo. Any, ireo mafàna fo dia misedra io fanamby io ary nanapa-kevitra ny hanao zavatra hafa mihitsy. Beirut Walls dia manazava [ar] ny toerana noraisin'ireo mafàna fo ao Libanona ao anatin'ny lahatsoratra am-bilaogy mitondra lohateny hoe “Ny revolisiona Siriana herintaona aty aoriana, am-pitiavana be avy ao Beirut” [ar]:
منذ عام والشعب السوري يصرخ “الموت ولا المذلة”، “حرية حرية حرية”. قتل منهم ما يفوق الثمانية ألف شهيد واعتقل الآلاف ودمرت البيوت واغتصبت النساء… منذ عام ونحن في بيروت نحترق أمام المشاهد ونتخبط في حيرتنا عمّا بوسعنا ان نفعله. كيف نتضامن مع شعب يقتل لأنه يريد اسقاط نظام قمعه لمدة عقود؟ كيف نعبر عن تأييدنا وبيروت يملؤها شبيحة من الطراز البعثي والقومي والميليشيوي؟
منذ عام وبعضنا من أفراد وناشطين مستقلين نحاول ان نشارك من بيروت في ثورة سوريا. نعتصم هنا، نكتب هناك، نعرض أفلاماً، نيأس ثم نعود نرفض ان يطالنا القمع فنهرع الى جدران المدينة. كانت الجدران الحيز الحر الذي وجدنا فيه مكاننا للتعبير

Beirut Walls: Am-pitiavana be ho an'ny revolisiona Siriana, nampiasàna ny CC.
Na teo aza io, ireo mpiondana aterineto sy mafàna fo mpisera Twitter dia nanambàra ny fanohanan-dry zareo ny Revolisiona Siriana. @abirsasso, avy ao Beirut, nibitsika hoe:
Raha i @taniaelk niteny hoe :
Vao maraina be androany, ho amin'ny tsingerintaona voalohan'ny revolisiona ao #Syria ireo mafàna fo aty Beirut dia nandefa hafatra iray fanehoana firaisankina.
@NadineBek koa dia nanome toky ny fanehoam-piraisankinan'ny Libane amin'ny Revolisiona Siriana amin'ny filazàna hoe:
Ireo mafàna fo ao Beirut dia nahita fomba iray hafa hanambaràna ny firaisankinany amin'ny vahoaka Siriana, tamin'ny fanaovana soratroratra “graffiti” sy fametahana saribe eny amin'ny làlana faleha sy ny tetezana. Nanoratra ihany koa izy ireo sady nizara teny faneva ho fahatsiarovana ny revolisiona Siriana. Beirut Walls ihany koa dia nanoratra mikasika ny marainan'ny revolisiona [ar] nahitàna lahatsary iray mitondra lohateny hoe: “Am-pitiavana Be avy Any Beirut”:
Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana ao Syria 2011.