Tantara mikasika ny Vaovao Tsara
Ilay vanobe sy mpanjono – angano tena misy
Nanjary mariky ny finamanana tsy mahazatra izy roa saingy koa lasa fanta-daza. Misy mihitsy aza ny horonantsary fanadihadiana antsoina hoe "Yaren" momba azy ireo, izay azo jerena ao amin'ny YouTube.
Imam iray teo aloha namerina ny hira vako-drazan’ny ankizy tao Kahramanmaras, Torkia
Tao anatin’ny ezaka hampitony ny ankizy sy ny olon-dehibe niharan'ny horohorontany, nanapa-kevitra ny hamerina indray ny hira vako-drazana Tiorka tranainy iray tao amin'ny moskea i Ömer Faruk Amca.
Nompian'ilay mpamonjy voina ny saka iray navotany taorian'ny horohorontany tany Tiorkia
Namonjy olona miisa dimy tao ambanin'ny trano rava tao Gaziantep ny ekipan'ny mpamonjy voina avy ao Mardin. Teny an-dalana hody hiverina ho any Mardin, niampy iray ny ekipa, ilay saka antsoina hoe Wreck.
Nalaina avy amina lamba hafa mihitsy: Nepaley mpila ravinahitra fahiny lasa mpandraharaha ankehitriny
Niverina ao Nepal ilay mpiasa mpila ranvinahitra, Krishna Raj Timilsina, ary nanomboka ny orinasany manokana mpanao fitafiana. Amin'izao fotoana izao, manolotra asa ho an'ireo mpiray tanindrazana aminy marobe ao Nepal izy.
Fomba fito nataon'i Môldavia hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny 2022
Ny Newsmaker, Media Moldavy mahaleotena, no nandrafitra lisitra iray misy ireo fomba fito nataon'ny firenena hampirehareha ireo olom-pireneny tamin'ny taona 2022.
Ny olana amin'izao fotoana izao sy tsy mitsahatry ny herisetra an-tokantrano ao Zeorzia
Raha ireo mpikatroka mahamarika fa nandroso ny firenena tamin'ny lafiny ady amin'ilay olana, misy fifangaroana mahafatin'ireo fadifady ara-kolontsaina sy ny tsy fahampiam-pitaovana manasarotra ny fanovàna.
Hetsika mba hahafahan'ny rehetra misitraka amin'ny vidiny mora ny “salàkam-bavy” ao Azia Atsimo
Misy ezaka atao ao Bangladesh, India ary Népal mba hanomezana salàka fidiovana ho an'ny vehivavy ka mba hanatsaràna ny fahasalaman'izy ireny sy hamongorna ireo fanilikilihana ara-tsôsialy mifamatotra amin'ny resaka fadimbolana.
Colmena: sehatra media manana loharano misokatra, mampifandray ireo vondrom-piarahamonina ambanivohitra sy ireo indizeny
"Ho ahy, ny anarana hoe “Colmena” dia maneho ny fandavantena manoloana ny fahasamihafàna."
Mitaky ny rariny ny vondrona fiarahamonim-pirenena taorian'ny nahafatesan'ny mpampita radio iray tao Filipina
“... nahatonga ny mpanao gazety ho lasibatra mora ho an'ireo vondrona manana tombontsoa izay te hanafina ny marina ny kolontsain'ny tsimatimanota ao amin'ny firenena .”
Voatosika ho amin'ny famoizam-po noho ny zanabola goavana takin'ny banky ireo Indiana tantsaha
Matetika ny tantsaha any India voafingana, na avy amin'ny toetrandro mampivezivezy na avy amin'ny fanambakàn'ny fikambanam-barotra ara-bola na avy amin'ny endrika tsy rariny hafa. Nitatitra avy any Nashik, Maharashtra ny Solontenan'ny Vondrom-piarahamonina (CC) VideoVolunteers.