Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Oktobra, 2018
Manao Printy ny Angona Akanjo 3D Voalohany Indrindra Eran-tany ny Tanora Israelianina Iray Mpamorona Lamaody
Ny tanjoko dia ny hamorona akanjo vonona hotafiana avy ato an-trano amin'ny alàlan'ny fampiasàna ireo fanaovana printy azon'ny rehetra jifaina. Azontsika atao ve ny hamorona, hizara ary hanao printy mivantana avy ao an-trano ny akanjontsika atsy ho atsy?
Mandà ny Hijery ilay Tanàna-Zaridaina ao India Hivadika Fitoeram-pako ireo Olompirenena
Aleon'ny mponina mitady fomba vaovao hamahana ny olana eo amin'ny habetsaky ny fako vokarin'ny tanàna toy izay hanebaka ny ezaka ataon'ireo manampahefana hifehezana ny olan'i Bangalore eo amin'ny fandrindrana ny fako.
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Mirehareha i Nepal ho tonga firenena voalohany hahatafakatra avo roa heny ny isan'ny tigra ao aminy amin'ny taona 2022
"Faly izahay fa nanampy tamin'ny fiarovana ireo sakabe tandindonin-doza ireo. Tsara ho an'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fizahan-tany izany."
‘Ny fiarako no hafatrao': Mifanamby amin'ny tanora hamoron-javatra avy amin'ny tsy misy ilay Afghana mpamorona zava-baovao
"Atombohy fotsiny ny asanao. Ataovy miaraka amin'izay hanananao ankehitriny ny asanao. Fotoana izao hanombohana."
Navotsotry Ny Tajikistana Ilay Mpitoroka Saingy Mbola Manaraka Ihany Ny Fanamelohana
Nanao ny asany tokoa ilay fanentanana nampiasàna ny tenifototra #FreeKhayrullo (Avotsory i Khayrullo) ka nampihemotra ny governemanta. Ankehitriny, tsy amin-tahotra no nilazan'i Mirsaidov fa hanao fampakarana io fanamelohana azy io izy.
Mampihena ny elanelana eo amin'ny manankarena sy ny mahantra ao Afrika
Na misy aza fitomboan'ny Harin-karena Faobe, tsy mbola vitan'ny kaontinanta afrikana foana ny mampihena ny elanelana lehibe misy eo amin'ireo manankarena sy mahantra.