Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2016

Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Febroary, 2016

27 Febroary 2016

Barber Show : Andian-tantàra Anaty Tranonkala, Ahitàna Olompirenena Maro, Ary Feno Hatsikana Momba Ireo Afrikàna Am-pielezana Ao Parisy

Barber Show, varavarankely iray ho an'ireo Afrikàna am-pielezana ao Parisy.

25 Febroary 2016

Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan

Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico. Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia...

24 Febroary 2016

Aqeela Asifi: Mpampianatra iray Manohy Mitolona Any An-tSesitany

Alaivo sary ao an-tsaina ny hoe mpampianatra iray, 23 taona, ao aminà toby kely iray misy ireo mpitsoaponenana Afgàna, ary avy eo, indray andro, nahalàla fa Stephen Hawking mihitsy no nidera anao sy ny asanao

23 Febroary 2016

Iza No Mbola Mila Elefanta Raha Afa-Milalao Polo Amim-Pandehanana Kodiaran-Telo Ianao? (Afa-Mihira Ihany Koa)

Nisy lalao vaovao noforonin'ny mpitazona efitrano fandriambahiny avo lenta iray lasa fotoana malaza fanao isan-taona ao Sri Lanka, fa miharomotra ny olona milalao Polo Tuk-Tuk.

20 Febroary 2016

Ambin-tsakafo Tsy Nohanina Mandritra ny Lanonana Ao Arzantina Alaina Hozaraina Indray

Nanomboka ny tetikasa Lovia Feno raha nahita ireo mpinamana roa fa maro loatra ireo sakafo tsy nohanina mandritra ny lanonana no ariana any amin'ny fanariam-pako. Ka nanapa-kevitra hanavotray ireo sakafo ireo izy ireo mba hizara izany any amin'ny fikambanana samihafa.

17 Febroary 2016

Ela Ny Ela, Rindrina Mampiray Vahoaka Fa Tsy Mampisaraka

Raha mamaky ny tantaram-pirenena maro isika dia endriky ny fisarahana, fanavakavahana ny rindrina. Saingy nisy toe-javatra vaovao antsoina hoe “rindrin'ny fahatsaram-panahy” ankehitriny manao izay mifanohitra indrindra amin'izany fampisarahana izany.

Gwen Rakotovao: ‘Manamafy Ny Fifandraisana Ara-tsosialy’ Amin'ny Alalan'ny Dihy Sy Ny Kanto

Niresaka tamin'i Gwen Rakotovao ny Global Voices, ilay vehivavy talen'ny kanto, lehiben'ny fitantanana, lasibika, ary mpanoratra boky ho an'ankizy, izay nentin'ny asany mahavalalalina nitety ny tontolo.

14 Febroary 2016

Fihetsika Maneho Hatsaram-panahy Roa Samy Hafa Mampiseho Ny Tsara Indrindran'ny Maha-Olona Any Pero

"Misaotra, Brando, satria tamin'ny tsy fahafantarana, tsy hoe namerina kitapom-bola fotsiny ianao... fa namerina fanantenana tamin'ny firenena ihany koa!!"

12 Febroary 2016

Fikambanana Tia Fanoritsoritana Sary Manavatsava An'i Eoropa Atsinanana Sy Afovoany Ao Amin'ny Twitter Manaitra Faniriana Te-Hamoron-Javatra

Ampolony ireo artista sy mpitia fotsiny izao no mandray anjara amin'ny fisantaran-tetikasam-pandokoana ao amin'ny Twitter mamoaka ny asany isan-kerinandro mba hitondra ala hamohamo bebe kokoa sy zavakanto ato amin'ny aterineto.