Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Jolay, 2016
Nahazo ny Tambajotram-pifandraisan-davitra Azy Ireo Manokana Ihany Ny Vondrom-piarahamonina Indizeny ao Meksika
Sambany teo amin'ny tantara, nahazo fahazoan-dalana hampiasa tambajotram-pifandraisan-davitra ho an'ny fokonolona indizeny ny mponina ao Mixe, Mixteco, ary Zapoteco ahafahana miditra amin'ny tolotra aterineto sy finday.
Ianaro Amin'ny Alàlan'ireto Fampiasa Peroviana Ireto Ireo Fiteny Amazôniana
Ho an'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpamokatra rindrambaiko, misongadina amin'ny maha-faritra iray azo trandrahana azy ny ao Amazônia Peroviana.
Faly Ireo Japoney Mpankafy Ilay Rosiana Malaza Mpikorisa Noho Izy Nanao Fitafiana Mitovy Amin'i Sailor Moon
"Medvedeva-chan, misaotra anao indrindra noho ny fitiavanao be dia be an'i Sailor Moon!"
Atleta 10 Avy Aminà Firenena Efatra Handray Anjara Amin'ny Lalao Olimpika Ambany Faneva Tokana: Mpitsoa-ponenana
"Tao amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana, tsy nanana fotodrafitrasa izahay – na kiraro aza tsy nanananay. Tsy nisy toerana fanazarantena akory. Na ny toetrandro aza tsy tsara nanaovana fanazarantena..."
Fantsona YouTube Indiana Mambabo Ny Fo Sy Sain'ny Olona An-tapitrisa Maneran-tany
Natombok'ilay mpandraharaha Indiana tamin'ny 2013 , Chu Chu TV izao no fantsona YouTube be mpijery indrindra any Azia Pasifika ary faharoa be mpijery indrindra amin'ny fantsona "fanabeazana ankizy amin'ny alàlan'ny kilalao" maneran-tany.
Mpanome Rà Efatra Avy Ao India No Namonjy Lehilahy Iray Tao Bangladesh Tamin'ny Fanomezana Rà Tsy Fahita Firy. Ankehitriny Inona No Nambaranareo Mikasika Ireo Sisintany?
Saika maty noho ny tsy fisian'ireo mpanome rà ilay lehilahy iray 25 taona tao Bangladesh manana rà tsy fahita firy. Rehefa tsy afaka hita tao amin'ny fireneny izy ireo, olona efatra avy ao Mumbai no nitsangana nanolotra rà.
“Raha Tsy Misy Zavatra Hafa Omanin'ny Fiainana Ho Ahy, Farafaharatsiny Antenaiko Ny Ho Afaka Miaina Am-Pilaminana”: Fijoroana Vavolombelona Ataon'ireo Mpitsoaponenana Namakivaky ny Mediteranea
"Te-hiaina ny olona, izany no antony niondrànan'izy ireo tanatin'ireny sambo ireny" Fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpifindra monina tafavoaka velona tamin'ny fitetezana ranomasina nankany Eoropa.
Noafahana Ilay Angôley Mpikatroka Nito Alves
Noafahana omaly talata 05 jolay i Nito Alves, ary nanatevin-daharana ireo mpikatroka 16 noafahan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny herinandro (29.06)
Nekena Ny Fanafahana Vonjimaika Ireo Anglôley Mpikatroka
Noafahan'ny Fitsarana Tampony vonjimaika araka ny fangatahan'ny mpisolovava ny 16 amin'ny mpikatroka angôley miisa 17 izay nosamborina tamin'ny jona 2015 - ary notsaraina tamin'ny volana marsa tamin'ity taona ity - ho nikasa hanongam-panjakana.
Cote d'Ivoire: Profesora Irany Nanampy Mpianatra Iray Manala Fanadinana Tamin'ny Fibabena Ny Zanany
Namoaka ny sarin'ny profesora Honoré Kahi miaraka amin'ny zaza nobabeny tao an-damosiny sady manome fampianarana momba ny fanentanana ny fandraharahana tao amin'ny Oniversiten'i Bouaké ny pejy Facebook Tranonkalan'ny Fihaonan'ny Mpianatra ao Afrika ny 29 Jona 2016, , ka nahatonga resabe teo amin'ny tontolon'ny bilaogy ivoariana . Raha nantsoin'i TV…