Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Jolay, 2019
An-tsary: Mikarakara matso iray i Nepal mandritra ny volana natokana erantany ho an'ny fireharehana (pelaka)
Notakian'ireo mpandray anjara hanànana zo mitovy, anisan'izany ny fanambadiana eo amin'ireo olona mitovy fananahana ary vitan'izy ireo ny nampianatra ny olona momba ireo vondrom-piarahamonina 'pelaka samihafa, lavitry ny fampiasana ny teny mahazatra LGBTQ+.
Mifanamby amin'ny mponiny ny tanàna Espaniola mba hihena 100.000 kg ao anatin'ny roa taona
Nametraka fanamby manokana ho an'ireo mponina ao aminy ny tanànan'i Narón, Espaina, ao amin'ny faritra misy an'i Galicia: very 100.000 kilao ao anatin'ny roa taona. An-dalana ho tratra izany tanjona izany
Milalao tsy araka ny fanjakazakan-dehilahy: maka ny ‘toerana natokana ho an'ny lehilahy’ ny tovovavy Miozolomana tamin'ny filalaovam-baolina
Raha maro ny olona no mihevitra fa hevitra nofinofy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny fanatanjahantena dia nisy ny hetsika mihamitombo izay nahitana ny vahoaka niroso tamin'ny firesahana sy ny famahana ny olana momba ny fanjakazakan-dehilahy.
Breziliana “mpifindra-monina tsy manana taratasy” lasa “solombavambahoaka ao Espaina”
Vokatry ny fikatrohana ara-tsosialy an-taonany maro teo anivon'ny antoko sy ny asany ho an'ny fiarovana ny zon'olombelona ao Katalona no anton'ny fanendrena an'i Dantas teo amin'ity toerana ity.