Voatosika ho amin'ny famoizam-po noho ny zanabola goavana takin'ny banky ireo Indiana tantsaha

Screenshot from YouTube Video by VideoVolunteers.

Mpamboly iray avy any Maharashtra izay nitombo ho INR 900.000 (10.960 USD) ny trosa sy zana-bola tao anatin'ny efa-taona raha mitentina INR 280.000 (3.410 dolara) ny vola nindraminy tany am-boalohany. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'i VideoVolunteers.

Ity fitambaran-dahatsoratra roa nosoratan'i Maya Khodve ity dia navoaka  voalohany tao amin'ny Video Volunteers, fikambanam-bondronolona  iraisampirenena mpampita vaovao efa nahazo loka tao India. Navoaka eto ambany noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty ny endrika nasiam-panovana.

Mahasadaikatra fa ny tantsaha ao India hatrany no ambany indrindra amin'ny piramidan'ny fanambinana ara-toekarena. Maro ny antony mahatonga izany trangan-javatra izany, manomboka amin'ny olan'ny fananan-tany kely sy ny fitobahan'ny mponina ka hatramin'ny politikan'ny fambolena sy ny fanavaozana ara-teknolojia.

Ireo mpanelanelana amin'ny lafiny iray hafa no manararaotra ny fahoriana sy ny fahantran'ny tantsaha. Avy amin'ny tanàna ambanivohitra ao Nashik, tanàna iray any amin'ny faritra avaratry ny fanjakana Indiana Maharashtra i Maya Khodve Solontenan'ny Vondrom-piarahamonina (CC) VideoVolunteers. Ao amin'ny tatitry ny lahatsariny etsy ambany, nasongadiny ireo andiana mpanelanelana, ireo banky mampindram-bola ny tantsaha ary mamely azy ireo amin'ny taha zanabola mihoa-pampana.

Ao amin'ny faritr'i Dari ao Nashik, Maharashtra,  tantsaha vitsivitsy no tsy afaka namerina ny fampindramam-bola nataony tamin'ny Nashik District Central Co-Op Bank (NDCC) Ltd tao anatin'ny efa-taona. Nandefa filazana momba ny fakana tany sy ny lavanty tany amin'izy ireo ny Banky NDCC. Zava-doza ho an'ny tantsaha izany: raha atao lavanty na azo ny taniny dia tsy manana fivelomana intsony izy ireo.

Mamerimberina fandefasana taratasy fampandrenesana azy ireo ny banky ary tonga any an-tranony mihitsy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny banky milaza amin’izy ireo ny momba ity fakàna tany ity. Ao anatin'ny adin-tsaina mafy ireo tantsaha zokiolona manoloana izany toe-javatra rehetra izany, ary, ao amin'ny horonan-tsary, afa-mahita mpamboly iray tapaka lalan-drà mihitsy aza isika.

Tsy afaka namerina ny vola nindramina ireo tantsaha satria ratsy ny vokatra nandritra ny efa-taona. Ny zanabolan'ny fampindramam-bola amin'ny banky etsy ankilany nitombo izaitratra. Ny fampindramam-bolan'ny tantsaha iray mitentina INR 280.000 (3.410 dolara amerikana) ohatra nahatratra 900.000 INR (10.960 dolara amerikana) tao anatin'ny efa-taona. Nasehon’ireo tompon’andraikitry ny banky azy ny filazana momba ny lavanty ary nangataka azy mba hanonitra ny antsasaky ny zanabola.

Milaza ireo tantsaha fa raha tsy misy ny firotsahan'ny fitondram-panjakana an-tsehatra, dia tsy ho vitan'izy ireo ny hamerina ny trosa na ny zanabola. Voatosika ho amin’ny famoizam-po izy ireo.

Saingy, ny zava-dehibe dia (mandoa ny trosa)n'ny tantsaha tena mila izany ny governemanta Maharashtra  isan-taona. Fantatr'i Maya Khodve ireo tetika ireo. Nandeha niresaka tamin’ny mpitantana ny banky niaraka tamin’ireo tantsaha izy mba hitady vahaolana.

Imbetsaka nitsidika ny NDCC ny tantsaha avy ao amin'ny tanànan'i Dhondegaon ao amin'ny distrikan'i Nashik mba hamarana ny kaonty fampindramam-bolan'izy ireo nandritra ny roa taona farany, saingy niatrika olana ara-pitantanan-draharaha izy ireo. Nanantitrantitra ny amin’ny tokony handoavam-bola mivantana ny tompon’andraikitry ny banky, kanefa ny vola efa ao amin’ny kaontin’ny fianakaviana ao amin’ny banky kosa no kasain'ireo tantsaha mba handoavana ny trosa. Hentitra ireo teo anivon’ny banky fa tsy azo atao izany.

Mba hitadiavam-bahaolana, dia nandeha nihaona tamin'ny tale jeneralin'ny Banky NDCC Mr. Pingle ireo tantsaha sy Maya Khodve ary nanazava taminy ny olan'ny famerenam-bola. Nanaiky ny tohan-kevitr'izy ireo Atoa Pingle ary hitany fa tsy ilaina ny manakana ny famerenana ny fampindramam-bola rehefa vonona ny handoa izany amin'ny alalan'ny kaontin'ny fianakaviana avy amin'ny banky iray ihany ireo tantsaha. Hanafaingana kokoa ny fanangonana ny famerenam-bola izany ary hanamaivana ny zana-bola mitambatra izay alaina amin'ny tantsaha, ary hanafaka ny renivola amin'ny fampindramam-bola vaovao. Namoaka didy momba izany Atoa Pingle ho fanampiana ireo tantsaha.

Tsy afa-nihaona tamin'ny tale jeneralin'ny banky ireo tantsaha raha tsy niditra an-tsehatra i Maya Khodve ary namporisika azy ireo hitady vahaolana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.