Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Janoary, 2019
2018 manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara: Ireo tantaran'ny fiovana sy ny fanovana nankafizinay indrindra
Taorian'ny volana maromaro nanaovana fanerena tamin'ny fitondrana tao Afrika Atsimo sy i Ethiopia, dia nametra-pialàna ny filoham-panjakana Jacob Zuma sy Hailemariam Desalegn. Niteraka fanantenana mankany amin'ny fanovana demaokratika ao amin'ny firenena Afrikana maro misy mpitondra mpanao ampihimambam-pahefana ny fianjeran'i Zuma sy Desalegn.
Tantara 7-n'ny Global Voices Nanakoako Tamin'ireo Mpamaky Ny Taona 2017
Niresaka lohahevitra toy ny memes, tombokavatsa, ary ny tsy rariny izy ireo, sady nifantoka taminà firenena isankarazany toa an'i Siria, Brezila, ary Makedonia.
Na Eo Aza Ireo Sakana, Mijoro Ho Vehivavy Sy Mpandraharaha Ao Afganistana
Rehefa nitolona nandritra ny taona maro, manana fitrandrahana famokarana ronono mandroso be i Shukria Attaye izay misy ny zokiny lahimatoa ho anisan'ireo mpikarama ao aminy.
Nanamarika fiafaran'ny vanim-potoana iray ao Japan ihany koa ny faran'ny taona 2018
Nampiasaina tao Japan nandritra ny taona 2018 ny farangonteny Twitter #Heisei saigo (#平成最後, izay azo ambara ankapobeny hoe, "ny fotoana farany anaovanay izao amin'ny vanimpotoana Heisei") — indrindra fa tamin'ny vanimpotoanan'ny Taombaovao.