Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Jolay, 2015
Manandrana Fanoherana Tsy Misy Herisetra “Ny Vondron’ny Fandriampahalemana” Any Kolombia
Satria mitohy ny fifampidinihana momba ny fandriampahalemana Kolombiana mba hamaranana ny herisetra sivily naharitra am-polony taona maro teo amin'ny governemanta sy ny mpihoko, mitaky sata tsy miandany ho an'ny tenany amin'ny anaran'ny fandriampahalemana ireo vondrom-piarahamonina sasany.
Lahatsary Vaovao Mampiseho Ny Fananerana Ny Nosy Urato Taorian'ny Tsunami
Niova ny zava-drehetra tamin'ny 11 Martsa 2011 raha nanafo-drano ireo fiarahamonina kelin'ny mpanjono ao amin'ny nosy Urato ny tsunami mpandravarava.
Fikarohana Nahomby Nataon'ireo Mpianatra Siantifika Burkinabe sy Borondey Iadiana Amin'ny Tazomoka
Nitondra anjara biriky goavana amin'ny fampihenana ny iray amin'ireo aretina mahafaty indrindra ao Afrika ireo mpianatra roa avy ao Afrika: Moctar Dembele sy Gerard Niyondiko.
Mahazo Ny Anjara ‘Patch Adams’ Mpanao Hatsikana Natao Ho Azy Ireo Toeram-pitsaboana Ao Buenos Aires
Naka aingam-panahy tamin'ny asan'ilay Amerikana Fizisiana Hunter "Patch" Adams, tsy ela akory izay ny ao Buenos Aires renivohitr'i Arzantina no nandany lalàna mandidy ny fampiasana ny katsikana any amin'ireo toeram-pitsaboana miahy ny zaza an-dàlam-piarenana noho ny ratra ara-tsaina nahazo azy.
Nitsahatra Tampoka ny Fanangonam-Bola Hanavotana ny Grika Rehefa Tsy Nahomby ny Hetsika
Ho averina ny vola natao fanomezana tao amin'ny Indiagogo nahatratra 1,9 tapitrisa euros ho fanampiana ny Grika fa tsy nahatratra ny tanjona. Saingy mbola tsy lany hevitra ho fanampiana ny Grika ny tompon-kevitry ny fanentanana.
Sary 16 Mahazendana Ahitàna An'i Azia Atsimo Atsinanana Avy Eny Amin'ny Zanabolana
Sokafan'ny Google Earth ho antsika ny hakanton'ny tontolo miavaka sy mampitolagagan'ny faritra Azia Atsimo Atsinanana
Rajako Japoney “Tsara Tarehy”: Fihetseham-pon'ny Media Sosialy
ireo olona sasany any ivelan'i Japana nanoratra sombin-tantara iray hafa hoe: "Japana Hafahafa", saingy tsy mitombina mihitsy izany ho an'ny rehetra.
Tonga Ny Media Sosialy Hanavotra Satria Poretin'ny Hafanàna Tsy Mbola Nisy Toa Azy i Karachi
Raha mamely mafy ny ampahany maro amin'i Pakistana ny onjan-kafanàna, miady mafy miatrika ny firohotan'ireo marary niharan'izany tonga manatona azy kosa ireo hopitalim-panjakana ianjadiam-pahanterana. Bitsika iray avy amin'i Faisal Kapadia no manampy hanamaivamaivana ny toe-draharaha ao Karachi.