Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Mey, 2017
Fantaro Ireo Miaraka Mitantana ny Ala Mando ao Meksika
Ny “Alianza Selva Maya,” izay ahitàna tany dimy iarahana mizaka sy fianakaviana 1.250, dia mampiroborobo ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, miainga amin'ny fitantanana tsara ireo otrikarena ao anaty ala.
Fanaovan'ny Gazety Sri Lankey Ireo Vehivavy Ho Toy Ny Entana
Nanitsakitsaka fenitra marobe tamin'ny etika ny fanehoana ireo vehivavy tany anatin'ireo haino aman-jery Sri Lankey nandritry ny taona maro, ka niafara tamin'ny fanamafisana ireo fitsaratsaram-poana ratsy natao azy ireo
Raha Te-hanana Fitomboana Ara-toekarena i Karaiba, Mila “Mandray Ny Fomba Fijerin'ny Vehivavy”
Mba "hanapariahana ny toekarena", dia nampidirin'ny ramatoa Karaibiana iray mpandraharaha ny fampiasambola misokatra ary manasa ny vondro-piarahamonina izy mba hanampy ireo vehivavy ho amin'ny tena fandrosoana.
Mpifindramonina ny Ampahatelon'ireo Mponina ao Riace, Vohitra ao Calabre
Ao Riace, mifanome tànana ny mponina ao an-toerana sy ireo mpifindramonina (500 amin'ireo 1.500 mponina ao) mba hamelona indray ny kolontsaina sy ny toekaren'ilay faritra.
Avelao Izahay Hitsifitra : Tonga Any Rosia Ny Graffiti Ortodoksa
Mazàna tsy miaraka ny Eglizy Ortodoksa Rosiana sy ny zavakanto an-dalambe , kanefa nanaporofo ny zavatra naningana tamin'izany fomba fijery izany ny fiaraha-miasa vao haingana teo amin'ny mpanakanto an-dalambe sy ny Pretra any amin'ny faritany iray.
Aza Taitaitra Foana : Natao Hanampiana Ny Rosiana Ity ‘Bokotra Mena’ Ity
Mety tsara ny fandaharam-potoanan'ny fampiasa satria toa hita miverina indray eo amin'ny fiainam-bahoaka ao Rosia ny hetsi-panoherana ara-politika, ary nahazo mpisera maherin'ny 4.000 amin'ny iOS sy Android izany tao anatin'ny andro vitsivitsy voalohany nanombohany.
Bilaogin'Injenieran'ny Rindrambaiko Mitondra ny Mpamaky Hanavatsava ny Araben'Ambanivohitr'i Japana Amin'ny Bisikileta
Na dia tsy ao Japana aza ianao na ihany koa tsy manana bisikileta dia fomba iray lehibe hamantarana an'i Japana amin'ny bisikileta ny bilaogin'i Friedl .
Fandresena Lehibe Ho An'ny Olom-pirenena tao Makedonia ny Fitsapa-kevibahoaka Tao Amin'ny Tanàna Kely Manohitra ny Fitrandrahana Volamena
Ity no fitsapan-kevibahoaka voalohany nahomby hatramin'ny nahazoan'i Makedonia ny fahaleovantena tao anatin'ny 26 taona.