Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Aogositra, 2015
Mety Ho An'ireo Fiteny Rehetra Any Azia Atsimo Ny Rindrambaiko OCR (Optical Character Recognition) An'ny Google
Mety aminà fiteny maherin'ny 248 eran'izao tontolo izao ny OCR an'ny Google, ka isan'ireo ny fiteny Aziatika Tatsimo be mpampiasa, ary mitondra ihany koa fanantenana hahafahana mandrakitra ho dizitaly, araka izay tratra, ireo lahatsoratra tranainy.
Mitondra Fanantenana Sy Fanasitranana Any Palestina Ny ‘Faribohitra Miloko Marevaka’ Ao Gaza
Antsoina hoe "ny faribohitra miloko marevaka" i Al Zaytoun ao Gaza noho ny arabe voaloko mamirapiratra sy ny rindrina voaravaka, ezaka fanavaozana an-drenivohitra taorian'ny ady teo amin'i Isiraely sy Gaza tamin'ny taona 2014.
Mpiasan'ny Fahasalamàna Mandihy Ho Fankalazàna Ny Famoahana Ilay Marary Farany Tratry Ny Ebola Tao Sierra Leone
Nahafaty olona 3.952 tao amin'ity firenena ao Andrefan'i Afrika ity ny valanaretina Ebola raha ny filazàn'ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Fahasalamàna.
Olona Mitovy Taovam-pananahana: Fanambadiana Voalohany Nankalazaina Tao Puerto Rico
Taorian'ny taona maro nitolomana mafy, afaka manao ny fifanekeny amin'ny fomba ofisialy ireo olona mitovy taovam-pananahana ao Puerto Rico ankehitriny.
Toy Izao Ny Fandrenesan'Ny Olona Ny Hiran'i Michael Jackson Amin'ny Fiteny Quechua
Tao amin'ny YouTube, efa maherin'ny atsasaky ny iray tapitrisa no njìijerena ny hiran'i Michael Jackson "The Way You Make Me Feel" izay nindramin'i Renata Flores Rivera, zazavavy 14 taona ary teratany Peroviana, nohiraina tamin'ny fiteniny.
Mahazo Fitiavana Maro Avy Any India Ny Filoha Tale Jeneralin'ny Google, Sundar Pichai
Namorona orinasa lehibe, Alphabet i Google, ary Filoha Tale Jeneraly vaovao ho an'i Google, Sundar Pichai. Niarahaba ny fitantanana vaovaon'i Pichai, tamin'ny fiarahabana, hainteny ary hanihany, ireo Indiana mpampiasa media sosialy.
‘Las Patronas': Manova Ny “Fiarandàlambin'ny Fahafatesana” Meksikana Ho Araka Ny Maha-Olona Kokoa
Ahoana no fomba nanosehan'ny hataka tao amin'ny Change.org ny fianakaviana iray manatsara fiainana mpifindra monina ho any Etazonia an'arivony ho mpifaninana hahazo ny lokan'ny Princess of Asturias 2015.
Bolivia : Trano Fisakafoanana Mahazo Dera Noho Ny Fampandrosoany Malalaka Ny Reny Mampinono
Voalaza fa i Bolivia no firenena Amerikana Atsimo izay manana taha ambony amin'ny fampinonoan-dreny, nefa tsy ampiana amin'ny fanaovana izany imasom-bahoaka.
Ny Misitery mampihomehy amin'ny zavatra adino ao amin'ny fiaran-dalamby Japoney
Nanangona lisitry ny fitaovana maro mahavalalanina hitan'ny mpisera Titter ao anaty fiaran-dalamby ny mpiseran'i Matome Naver, ary tafiditra amin'izany ny kafetiera, hazo bonzai ary voatabia.
Fotoanan'ny Afomanga Any Japana Ny Fahavaratra
Fampisehoana afomanga goavana sy miavaka no atao manerana an'i Japana ny volana Jolay sy Aogositra.