Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Desambra, 2014
Ny Tetikasa Heimkino (“home cinéma”) : Toerana Fandraisana Mpitsoa-ponenana Sady Fianarana Teny Alemàna
Ny fampiasana ireo lahatsary kely nalaina tamin'ny finday nentina nampianarana ny teny Alemàna tany amin'ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana no nitarika tamin'ny fananganana ny tetikasa Heimkino. Ny fandraisana araka ny tokony ho izy ireny mpitsoa-ponenana ireny no ivon'io tetikasa io.
Dr. Mukwege avy ao RDC : ‘Ahoana no Fangina’ Rehefa Miatrika Herisetra Ara-Nofo?
Nampihetsi-po ny sasantsasany amin'ireo mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana ny Dr. Denis Mukwege nandritra ny kabarim-panekena ny loka Sakharov 2014 nandritra ny Andro Iraisampirenena Hamongorana ny Herisetra atao amin'ny Vehivavy.
Tranomboky Kely Mahefa Be ao Grenada
Miteraka zavatra tsara eo amin'ny fiainan'ny tanora ao Grenada sy ny fahaizana mamaky teny ny fijoroan'ny tranomboky Mt. Zion ao afovoan'i St. George's.
Mampiroborobo Indray Ny Fahasamihafana Ara-Kolontsaina ao Tombouctou
Miasa mafy ankehitriny ireo fikambanana tsy miankina maro ao Mali, manangana tetikasa hanampiana hanavaozana ny firaisankina sosialy sy hametrahana indray ny filaminana. Mampiasa "Living Together" ny eReaders.
Ho Ela Velona Anie Ny Miss France Agricole 2015 !
Nahita fahombiazana goavana no sady naresaka be teny anatin'ny tontolon'ny tranonkala amin'ny teny frantsay ny 'Miss France Agricole', fifaninanana hatsaràna, nahafinaritra, nokarakaraina tao amin'ny Facebook, hiadiana amin'ny ankosotra sy ny tentina ataon'ny Miss France ary hanomezan-kaja ireo vehivavy tantsaha.
India: Ry Bavy ‘Fahasahiana’ Mamaly Bontana An'ireo Màmbam-Piraisana Ara-Nofo
Noho ny fiarovan-tena tamim-pahatoniana nataon'izy ireo, noderain'ny olona nanerana an'i India ho toy ny ohatra mivaingana amin'ny fomba tokony hananan'ny vehivavy hery sy tanjaka hanohitra ireo mpanao ankeriny i Rohtak sy Pooja.