Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Novambra, 2014

Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Novambra, 2014

30 Novambra 2014

Herin'ny Masoandro Isan-Tokantrano Mamarana ny ‘Fanavakavahana Ara-Kerinaratra’ ao Bangladesh

Tsy mba manana herinjiro ny 45%-n'ny ao Bangladesh—izay monina any ambanivohitra ny ankamaroany. Nampiova izany fitongilanan'ny mizana izany ny Tetikasa Masoandro Isam-Baravarana.

25 Novambra 2014

Ny Dia Lavitr'ezak'i Rayman, ilay Olom-pirenena Tsotra Ao Hong Kong, Mpakasary Fanao An-Gazety Nahazo Loka

Rayman, izay mpaka sary manao fanadihadiana ny hetsi-panoheran'ny mpiaro ny demokrasia any Hong Kong ankehitriny, no nahazo ny Lokan'ny Sary Filazam-baovao Tsara Indrindra nataon'ny olon-tsotra mpitati-baovao nokarakarain'ny vondrona Hong Kong In-Media.

17 Novambra 2014

Google Bus Mitondra Fahaizana Aterineto Hoan'ireo Mpianatra Antsasa-Tapitrisa Ao Bangladesh

"Mahafinaritra fotsiny izy :) zava-baovao amiko ilay izy saingy tena faly tanteraka aho. Mino aho fa hiparitaka atsy ho atsy sy halaza ao Bangladesh izany…hoy ny mpisera Twitter iray miresaka ny tetikasa google bus.

14 Novambra 2014

Lasa i Compoaré, Manadio Lalana sy Manahy Amin'izay Ataon'ny Tafika ny Fiaramonim-Pirenena Burkinabé

Misavoritaka ny ao Burkina Faso taorian'ny revolisiona niteraka ny fandroahana an'i Compaoré.

13 Novambra 2014

Boky Iray Vaovao Okrainiana Mitantara Ny Euromaidan Aminà Hafatra An-jatony Nalaina Tamin'ny Facebook

Akon'ny RuNet

Boky iray vaovao, mirafitra manontolo avy amin'ireo hafatra 700 nalaina taty anaty Facebook, mikirakira ireo zava-nitranga tamin'ny hetsi-panoherana Euromaidan araka ny nandraketana sy nilazàn'ireo Okrainina mpampiasa Facebook azy ireny.

11 Novambra 2014

Tanoran'i Djibouti Mijery Tàratra An'i Burkina Faso Mba Handrafetany Làlana Demaokratika

Tamin'ny 3 Novambra, nanao diabe ny Hetsiky ny Tanora Mpanohitra, namakivaky ireo arabe tao Djibouti hanoherana ny fibodoana fahefana nandritr ny 15 taona nataon'i Ismaïl Omar Guelleh.

03 Novambra 2014

Mpanoratra Iray Ato amin'ny Global Voices Nomen'ny Filohan'i Etazonia Obama Voninahitra noho ny Asam-Piarovana ny Zon'Olombelona Nataony ao Kambodza

Sopheap no tale mpanatanteraky ny Ivontoerana Kambojiana Misahana ny Zon'Olombelona. Nidera ny fanentanana ataony isian'ny rariny ao Kambodza ny filoha Obama raha tarafina ny toe-draharaha mampanahy ao an-toerana.