Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Septambra, 2014
Ny Maha-Porto Rikàna Hoan'ilay Gadra Politika Oscar López Rivera
Nogadraina tao Etazonia nandritra ny telo-polo taona mahery noho ny foto-keviny ara-politika i Oscar López Rivera
Niady Ny Ady Maharitra Hanoherana Ny Fahantràna Tao Meksika ity Fikambanana ity
Nanampy hanorina trano maherin'ny 3.000 tany amin'ireo faritra tena mahantra tao Meksika ny fikambanana iraisam-pirenena TECHO. Mijery ny tsy fitoviana tsikaritry ny TECHO tao Xochimilco ny Global Voices.
Manao Fanamby Momba ny Hanohanana, Ny Ady Ary Ny Pôlitika Ireto Karazany 8 Toy Ny Ice Bucket
Manovaova ny endrik'ilay hetsika miparitaka be ao anaty aterineto ny olona, manomboka amin'ny hetsika “Lather Against Ebola” iadiana amin'ny Ebolà any Côte d'Ivoire, ka hatramin'ny "Rubble Bucket Challenge" ho an'ny ankizy any Gazà.
Vondrom-Pianatra Oniversite ao Kyoto Te-Hahita an'i Japan, Shina ary Korea ho ‘Happy’ [Faly-Miadana]
Ratsiratsy hatrany noho ny fifandirana ara-tantara sy adin-tany matetika ny fifandraisana eo amin'ireo firenena telo ireo. Misy ny vondrom-pianatra nanatontosa ny lahatsary 'Happy' ho fampiroboroboana ny hafatry ny finamanana.
Ice Bucket Challenge An'i ALS : Inona Avy Ireo Lesona Azo Tsoahana ?
Tsy azo lavina fa lasa maro ny olona mahalala bebe kokoa momba ny ALS noho ny teo aloha, anefa nanome tsiny ilay hetsika ireo tsikera hoe manome vahana bebe kokoa ny fanbandratan-tena fotsiny ilay izy.
Afrikana Sisampatin'ny Ebola: Mitantara Ny Fahasitrànany Sy Ny Fanilihan'ny Fiaraha-Monina
"Misaotra an'Andriamanitra tamin'ny fisian'ireo dokotera ireo. Nanome taratasy ahy izy ireo izay manaporofo fa sitrana tamin'ny aretina Ebola aho sao mantsy misy olona tsy mino izany."
Fanentanana Tao Bhutan, Manome Kiraro Ho An'Ireo An'arivony Mila Izany
Manadio ary manamboatra kiraro efa niasa ilay mpandraharaha Bhutane, Dawa Drakpa, ary mizara izany amin'ireo izay tsy manana fahafahana mividy kiraro tsaratsara. Eo amin'ny 1 isan-jaton'ny mponin'ny firenena no nahazo kiraro.
Afrika : Dobo Vaovao Anovozan'ny Fampitam-Baovao Frantsay (Trondro Vaovao)?
Raha tsinjovina ny fisian'ny 85%-n'ny mpiteny frantsay amin'ny ampahany na manontolo eto Afrika amin'ny taona 2050, dia azo heverina fa hivelatra ny tsena