Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Jona, 2021
Mikisaka koa ireo elefanta dia ao Nepal
Tamin'ity taona ity, angamba noho ny hetsiky ny olona tsy dia nisy loatra vokatr'ireo fepetra nandritra ny COVID-19, nikisaka tamin'ny làlany isantaona rehefa mifindra monina ireo elefanta avy any India mankany Nepal ka tonga dia nandeha nanitsy teo am-bohitra.
Taorian'ny dinika diplaomatika iray, nifanakalo gadra sy torohay saropady i Armenia sy Azerbaijana
Etazonia no nanelanelana tamin'ilay fifanarahana, noharabain'i Eorôpa ary Zeorzia ho toy ny "dingana voalohany mankany amin'ny fanavaozana ny fifampitokisana"
Antoko politika 15 miara-manasonia fifanarahana momba ny zon'ny queer
Antoko politika miisa folo dimy amby (dimy ambin'ny folo) tao Zeorzia no nanao sonia fanambaràna iray manasongadina ny fanoloran-tenany avy hiaro ny zon'ny olona queer izany hoe nisafidy ny sady tsy ho lahy no tsy ho vavy.