Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Aogositra, 2020
Mampihomehy an'izao tontolo izao ilay fandefasana ny matson'ireo voron-drano ‘penguins” ao Aostralia
"Hasambarana ny #MatsoPenguin isanandro ao amin'ny @PhillipIslandNP! Ahoana no tsy hampihomehy anao ireto panguins kely ireto? "
Spiderman manao sarontava sady mamalifaly ny ambanivohitr'i Melbourne anaty fihibohana
"Misaotra an'ilay lehilahy manao hazakazaka manodidina an'i St Kilda miaraka amin'ny akanjo SpiderMan. Nampifalifaly ny tontolo andron'ny zanako efa intelo izao ianao."
Netflix, nampidita ilay sarimihetsika lavabe angoley voalohany
Ny 'Dias Santana' dia sarimihetsika 80% Angoley ary 20% Afrikàna Tatsimo
Sokatra volamena tsy fahita — voalohany amin'ny karazany — hita tao Nepal
Nahasarika ny fifantohan'ny maro ny fahitana sokatra mavo tany India, saingy tsy vao izao no nahitana iray tahaka izao.
Fantsona YouTube malaza manome torohay ny hoe ahoana izany mainty any Japana
Manasongadina antsafa ahitana mainty hoditra ampolony mponina any Japana ny fantsona YouTube malaza sy ny tranonkala The Black Experience Japan.
Brezila, navadik'ireo mpakasary ho toy ny trano fanasàna sary hanehoany ny fihibohan-dry zareo ny trano fonenany
Tetikasa iray" Obs-cu-ra", natomboka sy tarihan'i Bruno Alencastro, nanainga ireo mpakasary mba handrakitra ny fihibohan-dry zareo tamin'ny fomba tsotra dia tsotra.
Nampihena ny fifandonana teo amin'ny olombelona sy ny elefanta ny ‘Bisy Sakaizan'Elefanta’ voalohany eran'izao tontolo izao ao Sri Lanka
Nihena hatramin'ny 80% ny fifandonan'ny elefanta sy ny olombelona hatramin'ny nandehanan'ny Bisy Sakaizan'Elefanta. Tao anatin'ny fito volana voalohany, nidina ho 21 ny isan'ireo fifandonana raha 83 izany teo aloha.