Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Mey, 2015
Zazavavy Peroviana Tafody Noho ny Alikany Perla
Raha tsy nahalala ny lalan-kalehany ny zazavavy iray telo taona, dia teo ankilany kosa i Perla ary nanampy ireo polisy tamin'ny fitarihan-dalana hahitana ny tranony.
Manao Fefy Olona Manodidina Ny Mpitandro Filaminana Ireo Vehivavy Makedoniana Mba Hitazonana Ny Hetsika Hilamina
Fandraisana anjara tamin'ny andro faharoan'ny hetsika mitaky ny rariny taorian'ireo horonam-peo niporitsaka hita ho toa mampiseho ireo mpiasam-panjakana miezaka ny hanarona fotsiny ilay famonoana tamin'ny taona 2011 nataon'ny mpitandro filaminana.
Ao Japana, Tambajotra Sosialy Iray Natokana Manontolo ho amin'ny Vaovaon'ny Toetr'Andro
Tia toetr'andro? Liana amin'ny fanaovan-gazetin'olon-tsotra? Ary mpankafy Japan eo amin'ny fanombohana? Mety ho tambajotra sosialy ho anao ny SoLive24.
Maka Hetsika Maroloko Ilay Taombaovaon'i Bengali Manohitra Ny Fironana Mahery Fihetsika Ara-pinoana Ao Bengladesh
Tao anatin'ireo fetibe firavoravoana ho fankalazana ny Taombaovao Bengali tao Bengladesh ny hafatra iray mafonja "mandrehitra hazavana maro anatin'ny haizin'ny fo," mba hahatsiarovana ireo bilaogera sy mpikatroka mafàna fo nisy namono tsy ela akory izay.