Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Avrily, 2016
Noraisin'ny Pôrtô Rikana Am-po Ny ‘Hamilton’ Nahazoan'i Lin-Manuel Miranda Fahombiazana
Raha mbola ao anatin'ny krizy ara-bola i Pôrtô Riko , ny fahombiazan'ilay teatra an'i Lin-Manuel Miranda kosa nitondra hafaliana sy fanantenana.
Kerry Galhos, Ho “Serena Williams” Ao Timor-Atsinanana ?
Tanora mpilalao avy ao Timor-Atsinanana i Kerry Galhos, manana hoavy mahavelom-bolo eo amin'ny tontolon'ny lalao tennis. Nandao ny fireneny mba hanatanteraka ny nofinofiny ilay mpilalao, ny ho lasa mpilalao matianina.
Kamerone 5 Mpanao Gazety Mpikirakira Angon-drakitra, Manao ny Tombana Ankapobeny Momba ireo Governemanta 33 -n'i Paul Biya
Tetikasa iray momba ny Asa Fanaovanana Gazety Mikirakira Angondrakitra nandritra ireo governemanta samihafan'i Paul Biya tao Kamerona.
Manome Vahaolana Azo Tsapain-tànana Ireo Fikambanana Manoloana Ny Herisetra Anaty Fitaovam-pitaterana
Misy ireo vahaolana manoloana ny herisetra ara-nofo.
Ao Amin'ny Hôtely Fisakafoanana Ao Paris, ‘Freegans’ Miady Amin'ny Fandaniam-Poana Amin'ny Alàlan'ny Fahandroana Sakafo Efa Nariana
Raha ny marina, mino ireo mpikaroka fa tsy misy mihinana mihitsy ny ampahatelon'ny sakafo rehetra novokarina. Fandaniana loharanon-karena sy hery goavana izany ary misy fiantraikany lehibe eo amin'ny toetr'andro noho ny famoahana etona mifandray amin'ny sakafo nariariam-potsiny.
Graffiti 27 Manodidina An'i São Paulo Tsara Ho Fantatrareo
Raha hita sary ao amin'ny boky taridalan'ny fitetezan-tany iraisampirenena ny sary nataon-tanana an-drindrina ao afovoan-tanàna, dia tsy fantatry ny maro, eny fa na izay monina amin'ity tanàna lehibe indrindra ao Amerika Latinina ity kosa, ireo sary nataon-tanana an-drindrina miranty eny amin'ny sisintsisin'ny tanàna.
Posiposy Maroloko Anoherana ny Herisetra Mihatra Amin'ny Vehivavy Ao Bangladesh
"Manantena izahay fa hitety toerana maro ny teny, ary hahita ny làlany ho any anatin'ny fihevitry ny olona, ary mitarika antsika ho any amin'ny ampitso tsaratsara kokoa."
Inona Ny Sioka Alefan'ny Olona Rehefa Miandry Ny Fandalovan'ny Lalamby?
Zava-misy miavaka ao an-tanàn'i Tokyo ireo lalana 34.000 fandalovan'ny lamasinina ary zava-misy tsy azo ihodivirana eo amin'ny fiainana an-drenivohitra.
#IamSyrian, Hetsika Mahatonga Ny Syriana Tsirairay Ho Afa-Mirehareha
Naka ny lanonana fizazana Oscar i Moustafa Jacob, mpanakanto Syriana, mba hanombohana ny fanentanana #IamSyrian. Tsy nampoiziny hahazo firaisankina iraisampirenena miaraka amin'ny Syriana ny hetsika nataony.
Any Amin'ireo Angovo Azo Havaozina Ny ilan'ny Mason'i Kyrgyzstan
Mitombo hatrany ny tinady amin'ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena iray izay hita mihadrodroka ny rafitra famatsiana angovony efa tamin'ny vanimpotoana Sovietika.