Tantara mikasika ny Vaovao Tsara tamin'ny Oktobra, 2015
Marlon James Mahatonga An'i Jamaika Ho Afaka Mirehareha Noho Ny Nahazoany Ny Loka Man Booker Ho An'ny Tantara Foronina
Bob Marley. Ny CIA . Politika. Adin'ny samy jiolahy. Inona no tsy misy ho tiana? Nihevitra izany ny mpitsara ny Man Booker Prize; nanonona an'ilay Jamaikana Marlon James ho nahazo ny loka amin'ity taona ity izy ireo.
Endrika Roa amin'ny Zavamisy Iray: Vaninandro Mafana Tao Amin'ny Nosy Chios (Gresy)
Ho an'ny mponina ao amin'ny nosy Gresy ao Chios, nitondra lesona ny vaninandro mafana lasa teo fa "hitohy. . . raha mbola miraikitra ny fahoriana ao anatiny sy ivelan'ny firenentsika."
Lahatsarim-Panadihadiana Mamakafaka ny hoe Ahoana izany Mainty ao Japana izany
Fakafakain'ny bilaogeran-dahatsary roa malaza ao amin'ity fanadihadiana feno sy lava ity izany atao hoe mainty ao Japana izany.
Hosodoko an-drindrina goavambe nahatonga ilay fokontany meksikana ho ‘Majika’
Nanao hosodoko an-drindrina mahazo trano 200 ao amin'ny zanabohitr'i Las Palmitas ny Germen Crew, koperativa iray tsy miankina amin'ny fanjakana. Nanampy tamin'ny fanamafisana orina ny fiarahamonina ity tetikasa "majika" ity.
Nibahan-Toerana Indray Andro Tamin'ny Gazety Danoà Mpivoaka Isan'andro Ny Mpitsoa-ponenana Hizara Ny Tantaran'izy Ireo
Nanasa mpitsoa-ponenana 12 ny gazety mivoaka isan'andro danoà Information, ka ny sasany vao tonga, ary matihanina amin'ny fanaovan-gazety avokoa izy rehetra, ka nameno ny 48 pejin'ny gazety tamin'ny Zoma 9 Oktobra.
“Ho an'ireo Tsy Mahavita Intsony Mandeha Mifidy Amim-pahavitrihana”
"Tsy misy tokony ho andrasana intsony amin'ireo izay mitondra antsika." Misy hetsika ataon'olon-tsotra mandray an-tànana ny raharaha.
Fanehoan-kevitra Tamin'ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana : “Filàna ho an'i Tonizia”
Tamin'ireo fanehoan-kevitra tamin'ny Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana 2015 natolotra ho an'ireo efatra tao amin'ny fihaonambem-pirenena Toniziana, mampiseho ny maha "ilain'i Tonizia" ity Nobel nahagaga ity ny lahatsoratra nosoratan'ilay mpanao gazety Guy Sitbon tao amin'ny habaka toniziana "Leaders"
Mpanoratra Sady Mpanao Gazety Belarosiana Svetlana Alexievich No Nandrombaka Ny Loka Nobel Literatiora 2015
Alexievich no vehivavy faha-14 nahazo ny loka Nobel Literatiora, ary mpanoratra amin'ny teny Rosiana voalohany nahazo ny voninahitra hatramin'ny 1987 nahazoan'i Joseph Brodsky, poeta ny loka.