
Vola madinika tranainy halatra avy any Syria amidy ao amin'ny Facebook. Sary nozarain'i @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter
Zaid Benjamin mpanao gazety monina ao Washington DC no nisintona ny fanairana, izy izay nizara ireo sary avy amin'ny pejy Facebook nandefa ireo Vakok'i Syria mba hamidy any Tiorkia.
Another page on Facebook to sell Syrian antiques. Delivery in #Turkey. pic.twitter.com/Ni9zmTROiD
— Zaid Benjamin (@zaidbenjamin) May 30, 2015
Pejy hafa ao amin'ny Facebook mivarotra ireo Vakoka Tranainy an'i Syria. Fanaterana ao #Tiorkia
Sima Diab, avy any Ejipta mihanihany hoe:
In the market to buy or sell #Syria‘n antiquities/antiques? Look no further than Facebook https://t.co/KED6XVV6vz
— Sima Diab (@SimaDiab) May 24, 2015
Eny an-tsena, hividy na hivarotra ireo Vakoka Tranainy an'i #Syria? Jereo ihany koa ao amin'ny Facebook
Tsy mahagaga raha tsy misokatra intsony ny rohy mankamin'ny pejy Facebook-n'i Sima.

Sary ahitàna fa tsy nisokatra intsony ny fàfana amin'ny pejy nampiasaina hivarotana ireo lazaina fa Vakoka Siriana tao amin'ny Facebook.
VAKIO IHANY KOA :
Mahazo 1 tapitrisa dolara isaky ny famarotana vakoka tranainy iray norobaina tamin'ny korontan-trano rava tany Syria ireo ISIS mpanao varomaizina.
Araka ny voalazan'ny mpilaza vaovao, ireo milisin'ny ISIS no mijinja vola an-tapitrisa avy amin'ny fandrobana ireo vakoka, famarotana rakitry ny ela voaroba tao amin'ny tranombakoka amin'ny Tandrefana sy ny mpifanila vodirindrina ao amin'ny Helodrano amin'ny alalan'ny tranonkalan'ireo mpandroba sy mpanelanelana.

Rakitry ny ela Siriana amidy ao amin'ny Facebook. Sary nozarain'i @zaidbenjamin tao amin'ny Twitter
Manamafy ny Daily Mail fa rakitry ny ela 10.000-taona, avy any Raqqa nambaran'ny ISIS izy tenany ho renivohitra, any Syria, no lafo mihoatra ny 1 tapitrisa dolara isanisany ary atao varomaizina avy any Syria sy Iràka ary mandalo any Tiorkia sy Libanona.

Vola madinika volamena Siriana amidy ao amin'ny pejin'ny Facebook iray. Sary nozaraina tamin'ny Twitter an'i @zaidbenjamin
Tonga mba hibodo faritra midadasika ao Syria sy Iràka ny ISIS, sampana iray ao amin'ny Al Qaeda, namela làlana ho an'ny horohoro sy faharavàna tamin'izay nolalovany tato anatin'ny volana vitsivitsy. Ireo faritra babon'ilay vondrona entanim-po tafahoatra, izay miady mafy ny hamongorana ireo toerana misy ny “fitsipahana finoana” sy “fivadihana finoana” dia ahitàna ny Toerana Nahaterahan'ny Sivilizasiona, faritra iray manankarena tantara hatramin'ny andro fahagola.
Nanokana pejy nitondra ny loha-teny hoe Fiarovana ny Lova Ara-Kolontsaina Siriana ny Sampan'ny Firenena Mikambana misahana ny Fanabeazana, Siansa sy Kolontsaina (UNESCO) mba hanaraha-maso fotsiny ny fahavoazana zakain'ny tantaran'ilay firenena noho ny fifandonana ao Syria, izay miditra amin'ny taona faha-efatra ankehitriny.
Araka ny voalazan'ny UNESCO:
Nanaka-danitra tokoa ny fitrandrahana tsy ara-dalàna sy fandrobana hatramin'ny fiandohan'ny ady tao Syria. Niantraika betsaka tamin'ireo tranom-bakoka sy kolontsaina ireo asa ratsy ireo, ary dia nanjavona teoamin'ny firenena ny fanànana ara-kolontsaina Siriana ka niafara any amin'ny fanaovana varo-maizina ary/na ireo tahiry manokan'ny olontsotra.
Maro amin'ireo toerana arkeolojikan'i Syria no lasibatra avy hatrany amin'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataonà vondron'olona tsara omana ary matetika mitam-piadiana. Miteraka fandraharahana mampidi-bola tokoa ho an'ireo mpivarotra tsy ara-dalàna miasa manerana ny firenena sy maneran-tany ireo singa arkeolojika voaroba ka manana lanja ara-kolontsaina. Amin'ny ankapobeny, ireo toerana manamorona sisintany no mora lasibatr'ireo mpandroba, izay mahazo tombontsoa amin'ny toerana misy azy ireny mba hanondranana haingana sy amin'ny fomba tsy ara-dalàna ireo vakoka voatr'olombelona ho any ivelan'i Syria.
Momba ny toe-draharahan'ireo tranombakoka, voarakitra toy izao ny tomban'ny fahasimbana tao amin'ny pejin'ireo tranombakoka:
Avy any avaratra-andrefan'ny firenena ny ankamaroan'ny zavatra simba tany amin'ireo tranombakoka tao Syria, izay nitrangan'ny fandrobana ireo fananana ara-kolontsaina sarobidy, ary maro ireo zavakanto amin'izao fotoana izao no tsy hita intsony. Marobe amin'ny fotodrafitrasan'ireo tranombakoka no noho izy ireny tafiditra tao anatin'ny fifandonana mitam-piadiana.
VAKIO IHANY KOA
Mamafa ny tantara any Iràka sy Syria ny ISIS
Maro anefa ireo tezitra amin'ny fomba fihetsiky ny vahoaka manoloana ny fahasimbàn'ny tantara miohatra amin'ny niaretan'ireo Siriana ny fahaverezan'ny fiainana maoderina.
Maneho hevitra i Loam Stack hoe:
In recent weeks Syrian officials moved some antiques from Palmyra's museum, but didn't warn residents to leave too. http://t.co/EOpFYVc8Tv
— Liam Stack (@liamstack) May 15, 2015
Tato anatin'ny herinandro vitsy izay, nesorin'ireo manampahefana Siriana hiala tao amin'ny tranombakoka Palmyra ireo vakoka sasantsasany, saingy tsy mba nampandre ireo mponina akory mba hiala ihany koa.
Ary mampitandrina i Khaled Diab fa:
Western fixation with ruins over ruined lives in Syria may prompt ISIS to raze Palmyra for propaganda, says @hxhassan http://t.co/jJZzPzHSGc
— Khaled Diab (@DiabolicalIdea) May 25, 2015
Mety hanosika ny ISIS hamongotra an'i Palmyra ho fampielezan-kevitra ny fifikiran'ny tandrefana amin'ireo faharavana fa tsy ny aina rava ao Siria, hoy @hxhassan
Vakio koa ireo Tantara Hafa an'ny Global voices:
Iraka: Ravain'ny ISIS ireoSary Vongana RAkitry Ny Ela 3.000 Taona tao amin'ny Tranombakok'i Mosul
Lahatsary: Mandrava Ny Maosken'ny Mpaminany Jonah ao Mosul, Iraka Ny ISIS