Tafiditra Ao Amin'ireo Anjerimanontolo Rosiana Ankehitriny Ve Ny Hetsika Tamin'ny 1968?
Ny volana lasa teo, ny 18 Desambra, nanomboka nanao fitokonana sy nanakana ny fidirana amin'ny varavaramben'ny Anjerimanontolo ny mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolom-panjakana Rosiana momba ny varotra sy toekarena [ru] (RSUTE) . Ny fifandroritan-kevitra dia mikasika an'i Sergei Baburin, rektoran'ny Oniversite, izay nesorina tamin'ny asany vao tsy ela akory ary nifangaroan'ny asa naha tompon'andraikitra azy tao amin'ny akademia tamin'ireo tantaran'ny lavabe naha mpanao politika azy. Ny Desambra 2011, lasa mpitarika ny fiombonana politika vaovao izy: Sendikà Nasionaly Rosiana, fikambanana Nasionalista iray mikendry ny hifaninana amin'ny “Antokon'ny Fitondrana,” Rosia Miray. Ny 4 Novambra 2012, nandray anjara tamin'ny filaharana lehibe nataon'ireo Nasionalista i Baburin sy ireo mpiara-dia aminy tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Firaisankina tao Maosko, ary nomen'ireo mpikarakara voninahitra manokana izy tamin'izany.
Fa ho an'ireo mpianatra kosa anefa, any an-kafa mihitsy no mipetraka ny tena olana. Taorian'ny fialan'i Baburin, dia nilaza ny fahefana mahefa fa latsaka ambany mihoatra amin'ny antonony ny zava-bitan'ny RSUTE ka nanambara ny hanakambanana azy amina ivom-pampianarana kelikely kokoa, ny Anjerimanontolom-panjakana momba ny toekarena Plekhanov (izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Pleshka na Plekahnovka), izay misy mpianatra eo amin'ny 17 000 fotsiny nefa ny RSUTE dia nisy mpianatra hatramin'ny 75 000 (izay miparitaka manerana ireo Campus maro)

Sakana no nataon'ireo mpianatra nandritra ilay korontana farany teo tao amin'ny Oniversite. Sary azo ny 6 Janoary 2013, datin'ny Tweet: 26 Desambra 2012.
Tamin'ny fanehoana ny heviny tety anaty tambajotra sosialy, mpianatra maro no nanao fanoharana ilay fanakambanana tamin'ny fananiham-bohitr'orinasa, maneho ny endriky ny tontolon'ny toe-karenan'i Rosia taorian'ny Kominisma tamin'ny fotoan'androny.`
Ny 21 Desambra, ny mpandridra ny Vondron'ny RSUTE ao amin'ny Facebook dia nanoratra [ru] hoe:
Нет окупации и рейдерскому захвату РГТЭУ!
Tsy ekena ny fibodoana sy fisandohana ny RSUTE!
Namintina ny vokatry ny fitokonana, Volodar Kogonitzky niantso ho amin'ny fivoriana tao amin'ny Facebook [ru]:
Охрану полностью заменили (новым ЧОП), забостовка свёрнута, многих студентов запугали отчислениями, нескольких преподователей уволилил своими распоряжением и.о Шкляев А. […] Бубурин С.Н. находится в больнице, на него обещали завести уголовное дело, под любым предлогом, если будет продолжать упираться. (Граждане хватит пресмыкаться, боритесь за свои права, вставайте!!!)
Nosoloina (ho mpiambina vaovao avy amin'ny orinasa tsy miankina) avokoa ireo mpiambina [ny anjerimanontolo], rava ny fitokonana, mpianatra maro no natahotra ho voaroaka, maro koa ireo mpampianatra no voaroaka, baiko avy amin'i rektora Shklyayev mpisolo toerana vonjy maika izany. […] Any amin'ny hopitaly i Baburin amin'izao fotoana izao, ary dia ho enjehina araka ny lalàna izy raha mbola miziriziry amin'ny heviny. (Ry olom-pirenena, fafao ny ranomaso, ary arovy ny zonao! Mitsangàna!!!)
Mihoatra noho ny toeram-pianarana ny RSUTE ho an'ireo mpianatra ao aminy—Lasa toy ny ampaham-piainan'izy ireo izany ary dia manamarika ny ho aviny ihany koa. Mpikambana iray hafa, Elmira Dzhantemirova, no nanome vatana ireny fanantenana ireny tamin'ny fandraisana anjara tao amin'ny Facebook [ru]:
РГТЭУ – для меня и многих кто учился там, стал по сути семейным ВУЗом.
Конечно, там были и свои проблемы, а также и свои успехи. Но, то что происходит сейчас, похоже на рейдерский захват, нарушаются права и законы, куда же смотрят Президент и Премьер министр?Этот университет выпустил многих специалистов, достигших не малых высот в различных сферах. А также выпускал специалистов, простых тружеников, дипломы которых имели не последнее значение! А что теперь???
Кто дал право этим чиновничкам распоряжаться судьбами людей!!!! Это что, за “властители судеб???”
Ho ahy sy ireo hafa maro be izay nandranto fianarana tao, RSUTE raha ny marina dia lasa toy ny sekolim-pianakaviana.
Ekena fa, manana ny lafy mahatsara sy maharatsy azy izy, kanefa raha ny zava-miseho dia toy ny fananiham-bohitr'orinasa no hita ao, tahaka ny tsy ara-dalàna, ary mba te-hahafantatra aho [amin'ny fomba ahoana] ny Filoham-pirenena [Putin] sy ny Praiministra [Medvedev] no [tsy] mahita izao.
Betsaka ny manampahaizana no nahazo maripahaizana avy amin'ity Anjerimanontolo ity, tafakatra amin'ny toerana avo aminà sehatra maro samihafa. [Ny Anjerimanontolo] dia nanòfana ihany koa [karazany hafa] manam-pahaizana, [hatramin'ny] mpiasa tsotra, izay nanana maripahaizana tsy mena-mitaha amin'ny hafa! Ary ankehihitriny inona??? Iza no nanome alàlana ireo mpiasa birao ireo hitantana ny fiainan'ny hafa!!! Izy ireo angaha no “manampahaizana mpandahatra ny ho avy”???
Niezaka nanao hetsika ho fanohanana an'i Baburin tao amin'ny Twitter ny mpianatra maromaro, nanaparitaka ny tenifototra #BaburinMyRector (#БабуринМойРектор). Nandritra ny fitorevahana nandritra ny alina, nihirahira ihany koa ny mpandray anjara sasantsasany, toy izao ny fitantaran’i Dmitriyev Artem azy tao amin'ny Twitter:
@Alla_Mit@verbizkaja ))))))))) энергеты подпевали песню о реорганизации))) ночь#РГТЭУ
@Alla_Mit@verbizkaja ))))))))) Ireo mpianatra tanatin'ny fahavitrihany dia nihira ny fiverenan-kira iray mikasika ny fanavaozana indray ny rafitra))) alina#RSUTE
Tanatin'ny indray alina, lasa mari-pamantarana malaza ho an'ny vakom-pampianarana ny RSUTE.
Ny 27 Desambra, nitsahatra ny fitokonana. Nampanantenaina ny mpianatra fa rafi-pampianarana toy izay nisy teo aloha no homena azy ireo, ary nomena antoka ihany koa ireo mpampianatra fa hahazo fikarakarana araka ny tokony ho izy. Ny vokatra fototra avy amin'ny hetsi-panoherana 1968 dia ny fahalinana vaovao amin'ny fiarovana ny zo maha olom-pirenena amin'ny fomba mahery. Nanova fisainana maro iny fotoana manan-tantara iny. Efa eo amoron-tevan'ny fiovàny ara-kolotsaina ve i Rosia?
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...