Nanasongadina sary 21 izay hamerina indray ny fitokisanao amin'ny olombelona ny lahatsoratra avy amin'ny BuzzFeed izay lasa niparitaka be tao amin'ny Facebook miaraka aminà fifampizaràna maherin'ny 1.6 tapitrisa . Indrisy anefa fa tsy tao anatin'izany i Afrika sy ny Afrikana. Na dia eo aza ny ezaka ho amin'ny hanovàna ny tantara efa misy, fantatra na aiza na aiza amin'ny hoe toerana lohalaharana amin'ny fandraisana ny fanampiana iraisam-pirenena ary koa toerana izay ivantanan'ny ONG iraisam-pirenena mba ‘”hanavotana”‘ ireo vahoaka farofy eo an-toerana, ny kaontinanta Afrikana. Na dia tsy azo lavina aza ny filàna goavan'ny kaontinanta, dia matetika adino eo amin'ny tantaran’ ny vitan'olombelona, ny vitan'ny eo an-toerana dia ny tantaran'ny Afrikana manampy Afrikana. Nefa tsy ny fijoroana vavolombelona goavana amin'ny fisian'ny toe-panahy maha-olona avy amin'ny kaontinanta Afrikana akory no tsy misy. Ireto misy saripika sy lahatsary vitsivitsy maneho fa “manana Fo ihany koa i Afrika”:
Ny fiarovana ireo mpiray tanindrazana mandritra ny vavaka tany Egypta:
Tamin'ny 3 Febroary 2011, nandritra ny revolisiona Ejiptiana, nanao ny ainy tsy ho zavatra ny Kristiana hiarovana ireo Silamo nivavaka tao amin'ny Kianja Tahrir tany Le Caire, tao anatin'ireo herisetra nifanaovan'ireo mpanao hetsi-panoherana sy ny mpanohana ny Filoha Egyptiana Mubarak. Raha mila fanazavana fanampiny mikasika ny votoatin'ny sary, jereo ny lahatsoratra manokana mikasika ny hetsi-panoherana any Ejipta.
Fiarahabana Tongasoa ny fiverenan'ireo IDP avy tany Sodana:
Niverina teo amin'ny tena tanàna niaviany, Sehjanna, ny Olona Nafindra Toerana (Internally Displaced Persons (IDPs)) teo an-tanàna, rehefa nandao izany nandritra ny fito taona tany amin'ny toby ho an'ny IDP tany Aramba. Noarahabain'ireo tapaka sy namana izay nijanona teo an-toerana tongasoa, izy ireo. Ny Komisiona Avon'ny Firenena Mikambana ho an'ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) sy ny Komisiona Sodane hoan'ny fanampiana amin'ny maha-olombelona no nikarakara ilay fandaharan'asa fampodiana ara-tsitrapo.
Fanavotana elefanta tra-doza tany Zambia :
Avy amin'ny Norman Carr Safari any Zambia: “loharano fisotroan-drano ho an'ny biby eo an-toerana, ary koa toerana filomana fotaka ny Kapani Lagoon. Indrisy anefa, ratsy vintana ity zanaka elefanta iray niraikitra tao anaty fotaka raha nandeha teny amin'ilay lagoon vao tsy ela akory izay. Nanaitra ny reniny ny antson'ity zanany, izay nirifatra handeha hamonjy azy, nefa koa izy aza niraikitra tao anaty fotaka.”
Miara-mandresy ny rivo-doza any Madagasikara:
Nitontona tany Madagasikara ny rivo-doza Giovanna [fr] ny 13 Febroary 2012. Nosokajiana ho ambaratonga faha-4 ilay rivo-doza, miaraka amin'ny rivotra nentiny nahatratra hatramin'ny 194 km (120 mph) nandripaka ny hazo sy ny andrin-jiro. Nilaza ny manam-pahefana fa 10 raha kely indrindra no namoy aina. Tsy nanana jiro nandritra ny fotoana naharitra ireo tanàn-dehibe roa any Madagasikara, Antananarivo sy Toamasina, nanamarika ny andro maizina ho an'ny Mpifankatia tao an-toerana. Tsy nampihena ny zotom-pon'ireo Malagasy anefa ny rivo-doza, izay naneho ny risi-pony ary nifanampy mba hialàna amin'ny faritra tondra-drano, miaraka amin'ny tsikitsiky.
Manampy mpianatra sembana any Ghana
Atleta sy mafana fo avy any Ghana i Emmanuel Ofosu Yeboah. Teraka niaraka tamin'ny fahasembanana lehibe teo amin'ny ranjo havanana i Yeboah. Nahavita nandeha 380 kilometatra namakivaky ny fireneny i Yeboah mba hanaitra ny sain'ny olona ary koa hanova ny fijery ny sembana. Nanokatra ny Emmanuel Education Fund izy mba hiantohana ireo mpianatra manana fahasembanana.
Fankalazana ny fifidianana am-pilaminana tany Senegal:
Fiafaràna manan-tantara ho an'ny fotoam-pifidianana henjana no nitranga tany Senegal tamin'ny 25 Martsa 2012. Resy tamin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha teo amin'ny toerana, Wade, taorian'ny nanoheran'ny vahoaka azy amam-bolana amin'ny fitondrany didy jadona sy kiantranoantrano. Nankalaza ny fiafarana am-pahaleman'ny fitondran'i Wade ny mponina tao Dakar renivohitra .
Fiarovana ny zava-mananaina an-dranomasina any Mozambika:
Mampiranty ny ONG eo an-toerana Bitonga Divers, izay miezaka miaro ny zava-mananaina an-dranomasina amin'ny “fanamboarana rohy tsara eo amin'ny fiarovana ny fiainana an-dranomasina, ny fizahantany, ary ny fampivoarana ara-toe-karena“, i Janet Gunter. Ity misy lahatsary ahitana ny asany[pt]:
Fahazoana ny hafanàna Olympika ho an'i Ginea Ekoatorialy, volana vitsy taorian'ny nianarany nilomano:
Mpilomano avy any amin'i Ginea Ekoatorialy i Eric Moussambani Malonga . Nanjary nalaza izy rehefa nandresy na dia mbola tsy nanao fifaninana maherin'ny 50 m mihitsy aza talohan'ny fifanintsanana voalohany, ary nampiana-tena raha toa kosa ka resy ireo mpilomano roa iray dobo taminy noho ny hadisoana teo am-piaingàna. Nilaza i Eric fa ny 15 m farany no tena sarotra taminy araka ny hita eto amin'ny lahatsary. Kanefa ny finiavany hamita ny fifaninanana, sady niady mafy tokoa dia nahazoany horakora-pihobiana avy amin'ny mpijery noho ny ezaka be nataony.