Tantara mikasika ny Malezia

Malezia: Tsia, Lavina ny teny anglisy amin'ny taranja Siansa sy Matematika

  16 Aogositra 2019

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009) Foana ny teny anglisy intsony amin'ny taranja Siansa sy Matematika manomboka hatramin'ny taona 2012. Fanapahankevitra tena tara loatra avy amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana io momba ny politikam-pampianarana amin'ny taranja Siansa sy Matematika atao amin'ny teny anglisy (PPSM). Manamafy ny minisitry ny Fanabeazana fa fanapahankevitra...

Fikasana hetsika hanenjehana ireo bilaogera Maleziana

GV Mpisolovava  26 Mey 2019

Miatrika ny hoavy mampikorontan-tsaina noho ny governemanta mandray fepetra henjana manohitra ny bilaogy sy ny tompona tranonkala ireo bilaogera miresaka politika any Malezia na dia teo aza ny fankalazana ny fandresen'ny mpanohitra nandritra ny fifidianana tamin'ny 26 Aogositra 2008.

Malezia: Bilaogera iray hafa indray no voasambotra

GV Mpisolovava  22 Avrily 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Septambra 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina ilay bilaogera Maleziana Syed Azidi Syed Aziz, na kickdefella ny 17 Septambra 2008. Araka ny tatitra tany am-boalohany, tsy mazava ny fisamborana azy raha noho ny fandrisihana ny vahoaka hanofahofa ny sainam-pirenena mitsimbadika na noho ny lahatsoratra navoakany. Nanambara...