Malayziana mpikatroka ambany fanadihadian'ny polisy taorian'ny kabary LGBT tao amin'ny Firenena Mikambana

Ny Malayziana mpikatroka Numan Afifi niteny teo amin'ny Tamberina isa-potoana momba ny zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana miresaka ny toetran'ny zon'olombelona ao Malayzia. Loharano: Facebook

Nampanantsoin'ny polisy malayziana i Numan Afifi, mpikatroka LGBT, iray volana taorian'ny namoahany fanambaràna tao amin'ny vaomieran'ny zon'olombelona tao amin'ny Firenena Mikambana. Tafiditra ho anisan'ny delegasiona mandray anjara amin'ny Tamberina isa-potoana Manerantany miresaka ny toeran'ny zon'olombelona ao Malayzia i Numan, ary mifantoka amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny fironana ara-pananahana, mari-panondroana mahalahyvavy, ary fanehoan-dresaka sy karazana amin'ny fananahana.

Noderain'i Numan ny programan'ny governemanta miady amin'ny tsindrimarefo saingy nomarihany ihany koa fa mbola mitohy ny fanilikilihana ‘tohanan'ny fanjakana’ ireo LGBT ao Malayzia. Notononiny ny ‘fanomezana hasina vao sy fiverenana amin'ny fomba’ manao ho lasibatra ny vondrom-piarahamonina LGBT. Nomarihany ihany koa ny fanadihadiana fampisaraham-bazana nataon'ny manampahefana tamin'ireo mpikarakara ny Andron'ny Vehivavy rehefa nahitana fanevan'ny LGBT nandritra ny fihaonana.

Nampanantena ny hanohy ny tolona ho amin'ny zon'olombelona i Numan. Nanoratra tao amin'ny Facebook izy:

I will not bow down to these acts to harass or intimidate me as a human rights defender in Malaysia. I fight for all human rights and will continue doing so. Stand in solidarity with us as we enlarge civic space in Malaysia and condemn those who attempt to shrink it.

Tsy hiondrika amin'ireny fihetsika hanohina na hampatahotra ahy amin'ny maha-mpandala ny zon'olombelona eto Malayzia ireny aho. Mitolona ho amin'ny zon'olombelona rehetra aho ary hanohy izany. Mijoroa am-piraisankina aminay amin'ny fampivelaranay ny sehatra sivika eto Malayzia ary melohy ireo fikasana manao izay hampifintina azy.

Iantohan'ny lalampanorenan'i Malayzia ny fiarovana ireo vitsy an'isa, tafiditra amin'izany ireo manondro ny tenany ho mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBT. Saingy tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, nihanasiaka kokoa ireo vondrona hiringiriny amin'ny fitakiana fampiharana ny fampianarana islamika eo amin'ny fitantanana. Betsaka mponina miozolomana i Malayzia.

Nilaza ny Firaisankinan'ny Fikambanam-Piarahamonina Sivily Malayziana ao amin'ny fizotra UPR (MACSA) fa “tsy niankina amin'ny porofo azo itokisana [i Numan] ka hiverina amin'ny filazana tsy mampino” iadiana amin'ny ‘programam-panomezan-kasina vaovao’ Mukhayyam. Nohazavain'ny MACSA fa ny programa Mukhayyam notononin'i Numan dia mitady “hamaha ny fitomboan'isan'ny tranga VIH/SIDA eo amin'ireo olona niova fitaovam-pananahana sy ireo lehilahy miray amin'ny lehilahy.” Nampiany fa:

Participation in the Mukhayyam programme is also completely voluntary with no elements of coercion involved and is far indeed from conversion therapy practised by other countries which involve an element of forced participation.

An-tsitrapo tanteraka ny programa Mukhayyam ary tsy misy fnerana ary lavitra dia lavitra amin'ny fironana fomba fitsaboana ampiharin'ny firenen-kafa izay mampiditra singam-panerena handraisana anjara.

Takian'ny MACSA ny hanaovan'i Numan fialantsiny amin'ireo mpikambana LGBT mandray anjara ao amin'ny programa.

Saingy tsara tohana avy amin'ny fikambanam-piraisamonim-pirenena miisa 41 ny fanambaràn'i Numan momba ny ‘herisetra tohanan'ny fanjakana’ hamelezana ny vondrom-piarahamonina LGBT:

These state-sponsored activities are harmful by design as they employ rehabilitation and conversion practices which aim to curb and suppress the actual or perceived sexual orientation, gender identity and gender expression of LGBT persons. They also encourage others to intervene in the private and public lives of LGBT persons.

Mandratra amin'ny endrika ireny hetsika tohanan'ny fanjakana ireny satria mampiasa fomba famerenana amin'ny laoniny sy fiovana izay mikendry hampihena na hamafa ny fironana tena misy na tsapa ara-pananahana, ny mari-panondroana lahyvavy ary ny fanehoan-karazana tian'ny olona LGBT hiseho amin'ny tenany. Ampirisihan'ireny hetsika ireny ihany koa ny hafa hiditra amin'ny fiainana antakonana sy ampahibemason'ny olona LGBT

Misy ihany koa ireo andiam-pikambanam-piraisamonina hafa malahelo amin'ny famotoran'ny polisy an'i Numan:

The police investigation into Numan’s statement merely serves to highlight the harassment, bullying and discrimination faced by LGBT persons in Malaysia. There is absolutely nothing in Numan’s statement that could warrant any investigation by the authorities.

Ahatsinjovana ihany ny fanohintohinana, ny fampitahorana ary ny fanilikilihana mahazo ny olona LGBT ao Malayzia ny famotoran'ny polisy amin'ny fanambaràn'i Numan. Tsy misy mihitsy amin'ny fanambaràna nataon'i Numan ka tokony hahatonga fanadihadiana avy amin'ny manampahefana.

Nofariparitan'ny Fiarahan'ny FTMF Malayziana ao amin'ny fizotra UPR na COMANGO ny ‘tsy fisian'ny fototra tokony hanaovana famotorana’ an'i Numan ka nilazàny izany ho ‘fihemorana vaovao indray amin'ny endrika famaliana faty ireo mpiaro ny zon'olombelona ao Malayzia.’

Tsy nomarihan'ny fanadihadiana ny fitoriana an'i Numan sy ny vesatra iampangana azy. Nodidian'ny polisy i Numan hiseho sy hitondra filazana amin'ny 26 Avrily 2019.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.