Malezia: Tsia, Lavina ny teny anglisy amin'ny taranja Siansa sy Matematika

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Jolay 2009)

Foana ny teny anglisy intsony amin'ny taranja Siansa sy Matematika manomboka hatramin'ny taona 2012. Fanapahankevitra tena tara loatra avy amin'ny Ministeran'ny Fanabeazana io momba ny politikam-pampianarana amin'ny taranja Siansa sy Matematika atao amin'ny teny anglisy (PPSM). Manamafy ny minisitry ny Fanabeazana fa fanapahankevitra iray tena misy tanjona io [teny anglisy] ary nalefany tamin'ny tsy fahaizan'ireo mpampianatra teny anglisy ny antony, izay manitatra ny elanelana eo amin'ny fahaizana misy eo amin'ireo sekoly ambanivohitra sy ireo sekoly andrenivohitra. Tao anatin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, nolaviny indray koa ny fiampangana ny fisian'ny dindo politika tamin'ny zotra nandraisana io fanapahankevitra io.

Toa ho voatazona ity fanapahankevitra hentitra ity, na teo aza ny vokatry ny fakàna hevitra iray tamin'ny tambajotra (navaozina tamin'ny 16 :50 GMT+8, tamin'ny 13 jolay 2009) [teny anglisy] izay mampiseho fa ny 86% tamin'ireo valiny 81.370 azo dia manohitra an'ity fanapahankevitra ity avokoa. Io fakàna hevitra io, izay tsy hafa fa avy amin'ny iray tamin'ireo tena mpanohana mavitrika ny PPSMI, ny praiminisitra teo aloha Dr. Mahathir izay naneho ny fahadisoam-panantenany manao hoe:

Toa sahala amin'ny tsy mihaino ny feon'ny vahoaka ny governemanta. Angamba mety hanazava kokoa ny hevitry ny vahoaka amin'ny governemanta ny fakàna hevitra iray eo amin'ny blaogy.

Hisy fiantraikany mahery vaika ara-pihetsehampo amin'ireo rehetra voakasik'izany ity fanapahankevitra ity, raha ny hita mibaribary, na izany ho an’ireo vondrona marobe mpanao tsindry izay nihiakiaka fandresena niserana, sy ireo mpianatra very hevitra, ireo ray amandreny sy ireo mpampianatra trotraka, ary indrindra amin'ny ankapobeny, ireo rehetra izay sahiran-tsaina noho ny vokatry ny fanabeazana eo amin'ny firenena. Araka izany, fanapahankevitra ahitàna taratra ny fanànana tanjona tsy mitanila ve io sa tsindry ara-politika?

Wong Chun Wai, tonian-dahatsoratry ny  The Star, dia naneho hevitra teo amin'ny blaoginy manokana [teny anglisy] fa marimaritra iraisana  ara-politika tsy fahita firy io izay mampitambatra ireo vondrona mpanao tsindry sy ireo antoko mpanohitra mankasitraka ny fiverenana amin'ny teny malay, sinoa ary tamoul ho entina mampianatra ny taranja Siansa sy Matematika.

Araka izany, mazavazava fa ireo vondrona politika sy ara-panabeazana ireo dia tokony hahalala ny zavatra lazainy, ny politika no atao ao an-tsaina amin'izany.

Tsy tara amin'ny adihevitra mikasika io  fanapahankevitra ankehitriny io ny Twitter. Miaraka amina esoeso, manamarika i @Asohan fa maneho dona ara-politika ity fanapahankevitra ity, tranga iray izay tena tsy fahita firy ka ny lehiben'ny mpanohitra indray no manohana ny praiminisitra aminà lohahevitra iray tsy itovian-kevitra.

Na eo aza ny tsindrimpeo apetraka amin'ny fanànana tanjona napetraky ny minisitry ny fanabeazana, ho sarotra ny tsy hiraharahiana ireo fihetsehampo sy ireo tombontsoa ara-politika izay hita mazava ao anatin'ity olana ity. Tahaka izay voalazan'i Ibnu Hasyim manao hoe:

Semuanya adalah angkara BN, maka kerajaan BN perlu dihukum kerana sudah membazirkan wang negara, masa dan anak-anak rakyat miskin yang menjadi korban. Hukumlah dengan menolak BN dalam PRU 13 akan datang bermula dengan pilihan raya kecih Manek Urai yang akan diadakan beberapa hari lagi.

Tena tombontsoa misy fitiavantenan'ny BN io (antoko Barisan National), araka izany ny governemanta BN no tokony ho saziana noho ny fandanindaniam-poana ireo volam-panjakana sy ny fotoanan'ny firenena, ary koa noho ny nanaovana sorona ireo ankizy avy amina fianakaviana mahantra. Tokony sazianareo izy ireo amin'ny alalan'ny fanesorana ny antoko BN tsy ho ao anatin'ireo fifidianana hatao ny 13, ataovy io ary atombohy amin'ny fifidianana ampahany ao Manek Urai afaka andro vitsivitsy.

Nilaza ny fikambanana nasionaly misy an'ireo mpianatra silamo maleziana (PKPIM) hoe:

Keputusan itu merupakan satu tafsiran komitmen kerajaan untuk mempertahan dan mendaulatkan bahasa Melayu sebagai bahasa kebangsaan.

Taratry ny fahavonanan'ny governemanta amin'ny fiarovana sy fanamafisana ny teny malay ho toy ny tenim-pirenena ity fanapahankevitra ity.

Sarotra amarinina ny tanjona tsy mitanilan'ity fanapahankevitra ity. Misy ny marirmaritra ilazàna hoe fohy loatra sy tsy  tsara voatra ilay fanapahanekvitry ny governemanta mba handraisana anaty kajikajy ny hoavin'ireo ankizy sy ny firenena amin'ny ankapobeny.

i Marina Mahathir, mpikatroka ara-tsosialy lohalaharana, no maneho ny alahelony amin'ny filazàna fa [teny anglisy]:

Mampalahelo satria tsy mba afaka manohitra ny tombontsoan'ireo vitsy an'isa akory ireo mpitondra antsika. Mampalahelo satria atao sorona ny zanatsika noho ny fanirian'ny BN handresy amin'ny fifidianana ampahany.

Rehefa tsy ampy fitaovana mitaha amin'ireo sekoly any an-tanandehibe ny sekoly any ambanivohitra, tsy tokony hiomanana ve izany? Raha jerena ny vokatra ankapobeny, tsy zava-marina ve izany raha amin'ny lafiny rehetra? Nahoana ny anglisy no tsy maintsy ajoro atao fialana tsiny amin'ny fitsinjaràna miangatra ireo fitaovana eo amn'ny sekoly ambanivohitra sy ny an-tanandehibe? Azo antoka fa, rehefa ireo vokatra ratsy azon'ireo sekoly ambanivohitra no jerena, ny filàna dia ny fanatsaràna ny fanabeazana any amin'ireny sekoly ireny.  Fa tsy ny fampitsimbadihana ny politika sy ny fampidinana ny haavon'ny fahaizan'ireo ankizy any an-tanandehibe hitovy amin'ny hafa rehetra.

Fanehoankevitra vitsivitsy teo amin'ny Twitter izay nalahelo ny hadalàna amin'ity fanapahankevitra ity [teny anglisy]:

@jay_baharin taona enina aty aoriana ary ny maherin'ny 4 lavitrisa RM  amin'ny resaka fandaniam-bola, nilaozan'izy ireo mora foana ny PPSMI… ny fitserako mankamin'ireo tanora rehetra mpianatra izay harary an-doha bebe kokoa noho ny taloha…

@waski69 PPSMI – karazana.. Dingana kely ara-politika ho an'ny UMNO/BN, dingana goavana  miverina ho an'ny hoavin'i Malezia…

Betsaka zavatra hifanotona eo hoe fanapahankevitra politika sa manana tanjona tsy mitanila, ireo nandray ilay fanapahankevitra irery ihany no hahalala izany. Fa ny tsy azo lavina aloha dia ny zavamisy hoe taona marobe no ho ilain'i Malezia ho fanandramana ny fanatsaràna ny fifehezana ny teny anglisy eny anivon'ireo mpianatra, sy ny fomba entina mampianatra ny siansa sy ny matematika. Indrisy anefa, ny fepotoana fiandrasana dia hanampy trotraka ny fisalasalàna goavana momba ilay fanontaniana mbola mitoetra foana tsy ahazoana valiny, toy ny hoe ny vahaolana tsara indrindra azo ampiharina ho entina manompo ny tanindrazana sy ireo mpianatra. Araka ny fanazavan'ny mpianatra iray sanganehana azy

Amin'ny teny roa: tezitra aho.

Ireo voambolana siantifika sy matematika rehetra amin'ny teny anglisy, ianarako sy ampiasaiko nandritra ny enina taona izy ireny. Koa nony ankehitriny aho tokony hiverina hatrany amin'ny voalohany any amin'ny faha 4 (ny kilasy faha 10) ve?

Ankehitriny fanontaniana iray sisa mipetraka: Inona izany no tokony ho ataoko ankehitriny?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.