Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Mikasa ny hanara-maso ireo bilaogera ihany koa i Malezia

(Marihina fa tamin'ny volana Febroary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)

Nanolotra torolàlana hifehezana ny tontolon’ny bilaogy i Malezia taorian’ny fanapahan-kevitr’i Arabia Saodita hanara-maso akaiky ireo bilaogera sy ny tranonkala vaovao ao amin’ny Aterineto.

Nanambara ny The Malay Mail ny 27 Janoary 2011 hoe :

Hier, le ministre en charge des affaires parlementaires du Cabinet du Premier Ministre, Datuk Seri Nazri Aziz, a annoncé l'élaboration de nouvelles lignes directrices, qui vont être présentées au public dans des tournées à travers tout le pays pour que “le public sache plus facilement ce qu'il peut faire et ce qu'il ne peut pas faire” en ligne.

Nazri a expliqué que les lignes directrices fourniraient une meilleure compréhension de la loi sur la Sédition de 1948, la loi sur les Presses Typographiques et les Publications (APTP) de 1984 et la loi MCMC [Commission du Multimédia et des Communications Malaisiennes] de 1998.

Omaly, nanambara ny famolavolana ny torolalàna vaovao ny Minisitra miandraikitra ny raharaha parlemantera ao amin’ny kabinetran’ny Praiminisitra, Datuk Seri Nazri Aziz, izay haseho ny besinimaro amin’ny fitetezan-tanàna manerana ny firenena mba ‘’hamantaran’ny olona mora kokoa ny zavatra azony atao sy ny tsy azony atao’’ ao amin’ny Aterineto.

Nohazavain’i Nazri fa hanome fampahafantarana tsara kokoa momba ny lalàna mikasika ny Fikomiana tamin’ny taona 1948, ny lalàna momba ny Fanontana An-gazety sy ny Famoaham-baovao (APTP) tamin’ny taona 1984, ary ny lalana MCMC [Komitin’ny Haino aman-jery sy ny Serasera Maleziana] tamin’ny taona 1998 ny toro-lalàna.

Tsy faly tamin’ny fikasan’ny mpitondra hifehy ny fampitam-baovao an-tserasera ireo bilaogera Maleziana. Namariparitra ny toe-draharaha ho ohatra amin’ny kihon-dalan’ny governemanta mankany amin’ny endrika somary hentitra kokoa mikasika ny famerana ny hetsi-panoherana an-tserasera ny bilaogin’i Durian-Dr Jason Abbott The Durian miresaka ny olana ao Azia Atsimo-Atsinanana  :

En septembre 2008, l'éminent blogueur Raja Petra Kamaruddin fut arrêté sous le coup du controversé Acte de Sécurité Intérieure qui permet la détention sans procès et fut retenu pendant presque deux mois. Dans les dernières semaines le gouvernement a annoncé qu'ils évaluaient la possibilité de passer des amendements sur la loi des Presses Typographiques et des Publications qui requiert que toutes les publications demandent un permis annuel au Ministère de l'Intérieur qui peut être refusé, révoqué ou suspendu à la discrétion du ministère sans contrôle juridictionnel.

Nosamborina tamin’ny volana Septambra 2008 ilay bilaogera malaza Raja Petra Kamaruddin, araka ny Lalànan'ny Fiarovana Anatiny izay niteraka resabe satria manome alalana ny fitazonana olona tsy misy fitsarana mandritra ny roa volana ity lalàna ity. Tao anatin’ny herinandro farany, nanambara ny governemanta fa handinika ny mety hisian’ny fanitsiana ny lalàna momba ny Fanontana An-gazety sy ny Famoaham-baovao izay mitaky ny famoaham-baovao rehetra hangataka fahazoan-dalàna isan-taona any amin’ny Minisiteran’ny Atitany,  fahazoan-dalàna azo lavina, sintonina na hatsahatry ny Minisitera mangingina tsy misy fanaraha-mason’ny Fitsarana.

Toa mikasa ny hanara-maso ny soavaly mialoha ny hanipazany ny mpitondra soavaly ny manampahefana Maleziana araka ny hita tamin'ny fitroarana faobe tany Tonizia sy tany Ejipta ary ny anjara asan’ny fampahalalam-baovao an-tserasera sy ny tambajotra sosialy nandritra ireo zava-tranga ireo.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.