Malezia: Manjaka ve ny fanavakavahana – sa ady politika fotsiny izany?

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Jolay 2009)

Mieritreritra ny governemantam-panjakana ao Perak ao Malezia raha tokony “handray fepetra” amin'ireo bilaogera roa izay voalaza fa nanevateva ny mpanjaka Perak sy ny fahamasinan'ny finoana silamo tamin'ny alàlan'ny asa sorany vao haingana. Toa nilaza ny Menteri Besar (vaovao), na Lehiben'ny governemanta, Dr Zambry Abdul Kadir fa niteraka disadisa tao anatin'ny fiarahamonina Malay ao amin'ny fanjakana ilay lahatsoratra.

Voalaza fa nilaza toy izao Dr Zambry:

Their writings clearly have gone beyond decency, respect and loyalty. They have shown their utter contempt against the Malay rulers and Islam… They have committed sedition and probably treason… these writers have no respect for the constitution and the country.

Miharihary fa tsy nahitana fahamendrehana, fanajana sy fahatokisana ny asa soratr'izy ireo. Nampiseho ny tsy firaharahian'izy ireo mihitsy ny mpitondra Malay sy ny Islamo… Nanao fikomiana izy ireo ary angamba fivadihana … tsy manaja ny lalampanorenana sy ny firenena ireo mpanoratra ireo .

Na dia toa nilaza aza izy fa “tsy hamela fotsiny amin'izao ny raharaha ny governemantam-panjakana, dia tsy misy ny antsipiriany momba ny anton'ny hetsika horaisin'izy ireo.

Mandritra izany, nandà ny mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra, Democratic Action Party (DAP), Loke Siew Fook, izay heverina ho iray amin'ireo bilaogera voalaza fa manafintohina fa tsy nanoratra lahatsoratra momba ny fanavakavahana tao amin'ny bilaoginy izy. Noho izany dia toa nampiantrano polisy vao haingana momba izany izy. Hoy izy tao amin'ny bilaoginy:

I wish to deny strongly that neither DAPSY [DAP Socialist Youth] nor I have ever issued any statements that insult Islam or the Royalty. Those are lies spread by certain irresponsible parties out to tarnish the image of the DAP and tried to paint DAP as anti-Islam and anti-Malays.

Te handà mafy aho fa na DAPSY [Tanora Sosialista DAP] na izaho dia tsy namoaka fanambarana manevateva ny finoana islamo na ny mpanjaka. Lainga naparitak'ireo antoko sasany tsy tompon'andraikitra izany mba handotoana ny endriky ny DAP ary niezaka nanoritra ny DAP ho anti-Silamo sy anti-Malay.

Ankoatra izany, nisy filazam-baovao nilaza azy hoe:

These are lies spread by irresponsible parties who are out to tarnish the image of the DAP. They are trying to portray the DAP as being anti-Islam and anti-Malay.

 Lainga naparitak'ireo antoko sasany tsy tompon'andraikitra izany mba handotoana ny endriky ny DAP. Miezaka manoritra ny DAP ho anti-Silamo sy anti-Malay izy ireo.

Nanambara ny maha tsy manan-tsiny azy koa izy tao amin'ny bilaogy Maleziana malaza, Rocky's Bru. Menavazana ao amin'ny Antoko DAP, Lim Kit Siang, nilaza toy izany tao amin'ny bilaoginy:

This is clearly part of the latest gameplan of a master strategy by Umno (member of ruling coalition) to tarnish the image of DAP and DAP leaders as anti-Malay and anti-Islam in a larger political conspiracy to break up and destroy Pakatan Rakyat (opposition coalition).

Mazava fa anisan'ny drafitra farany indrindra amin'ny paikady henjana avy amin'ny Umno (mpikambana ao amin'ny fiaraha-mitantana) ity mba handotoana ny endrik'ireo mpitarika ny DAP sy ny DAP ho anti-Malay sy anti-Silamo ao anatin'ny tetika politika lehibe handrava sy hamotika ny Pakatan Rakyat ( fikambanan'ny mpanohitra).

Mandritra izany, nitaky fanadihadiana momba ireo “fanambarana mikomy” natao ny praiminisitra, Najib Razak. Misy zavatra mampiahiahy ny bilaogera ve sa ady politika fotsiny izany?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.