Mpanoratra Taloha · Jolay, 2008

Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Jolay, 2008

Armenia : Kolikoly sy Fialana bala

  08 Jolay 2008

Blogrel no mitatitra fa noroahina nohon'ny kolikoly ny talen'ny sampan-draharaha miandraikitra ny fanavaozana ny Pasipaoro (OVIR) any Armenia. Anefa dia velom-panontaniana koa i Unzipped izay antony tsy nisian'ny fitoriana ara-pitsarana ho tohin'izany raharaha izany, tena marina ve fa miady amin'ny kolikoly sy ny tsolotra tokoa ny fanjakana fa tsy vazivazy ?.

Shina : Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana

  06 Jolay 2008

Mety iharan'ny fandraràna ny fanaovana tatitra ara-blaogin-dahatsary [Vlogging] manodidina ny lalao Ôlaimpika (araky ny fiheveran-dry zareo), ary manantena ry zareo fa tsy hahakasika ny tolotry fringsters izany izay vao nametraka tolotra vaovao Finday ahafahana miblaogy omena maimaim-poana hoan'ireo rehetra izay mitatitra ara-blaogin-dahatsary ny lalao Ôlaimpika.

Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

  04 Jolay 2008

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra...

Faritra Balkanika : Mpizahatany, tapany faha-2

  04 Jolay 2008

Sary marobe, lahatsoratra ary hafatra maro mikasika ny tohin'ny dian'i Michael J. Totten's any Albanìa, sy Montenegrô ary Kôsôvô. [Ity dia mbola tohin’ilay lahatsoratra efa notaterina teto ihany : Michael J. Totten mpizahatany]

Kôlômbia : Hanonerana izay fotoana very izay

  03 Jolay 2008

Tienen Huevo mankalaza ny fanafahana an-dRamatoa Ingrid Betancourt izay nalain'ny Mpiady anaty akatan'ny FARC ary notazoniny an-keriny [nandritra ny 2318 andro] any Kôlòmbia : Bienvenida Ingrid… Estamos a la espera de recuperar el tiempo perdido… “Tongasoa Ingrid… Tsy andrinay ny hanonerana izay fotoana very izay… ” [FANAMPIM-PANAZAVANA : kandida ho...

Tadzikistana : Hotrakotraka Tadziky

  03 Jolay 2008

Patrick Frost no manapariaka ao amin'ny Central Asia [Ivon'i Azia] mikasika ny toe-draharaha politika izay toa mihotrakotraka any Tadzikistana : Tajikistan, already one of the world’s poorest nations, has suffered much this year with a harsh winter, continuing health concerns, and with rising food prices. But the worse could be...

Israely : Tsy homeko voanjo intsony ianao !

  02 Jolay 2008

Shalom Rav no manala sarona ao amin'ny Jewschool [sekoly Jiosy] fa Israely hono no firenena fatra-pihinana voanjo indrindra eran-tany, misy anefa tatitra nivoaka vao tsy ela manambara fa mety ho fanondranana voanjo an-tsokosoko avy any Iran no foto-pamatsiana voalohany izany tsena goavana any Israely izany : Anyone with even a passing knowledge of Israeli...

Vovonàna GV : Tanteraka koa ny andro faharoa !

  01 Jolay 2008

Raha nifantoka amin'ny fisoloam-bava sy fivoizana hoan'ny fahafaham-pitenena'ireo mpiblaogy ny Andro voalohan’ny vovonàna Global Voices, androany kosa dia mifantoka bebe kokoa amin'ny raharaha anatin'ny Global Voices, miaraka amin'ny fampahalalana ireo tetikasa hafa miara-dia aminy dia ny Rising Voices [Fanandratana ny feon'ireo izay tsy re] sy Lingua [dikateny GV, tafiditra ao ny Malagasy amin'ny alalan'ity...