Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Jona, 2013
Kandidà Ho Filoham-pirenena Iraniana Mampiasa Ny Media Sosialy Ho Fiadiana
Mifaninana amin'ny fampiasàna ny media sosialy ireo Iraniana mpifaninana ho filoham-pirenena, toy ny Facebook sy Twitter na dia voasivana aza ireo tranonkala ireo ary amin'ny ankapobeny dia tsy afaka idiran'ireo mpisera anaty aterineto loatra.
Pavel Durov, Tsy Hiditra Am-Ponja Ny Mpamorona Ny Tambajotra Sosialy #1 Any Rosia (Hatreto Aloha)

Toa tahàka ny afaka miverina any Rosia tsy misy didy famonjàna mandindondindona azy i Pavel Durov. Tahàka ny marina aloha izany hatramin'izao, raha nanakatona ny fanadihadina [ru] ireo mpitsongodia ao St. Petersburg mikasika ny filazàna ho nahatafidiran'i Durov tamin'ny lozam-pifamoivoizana tamin'ny 5 Aprily izay nanery ilay "Zuckerberg-n'i Rosia" handositra ny fireneny, roa volana lasa izay.
LAHATSARY: Nanjary Nipariaka ilay Fahendrena Tsy Mihinan-kenan'ity Zazakely Breziliana
Nanjary lasa lahatsary farany be mpijery indrindra eran-tany ny lahatsary YouTube ahitana an'i Luiz Antonio, zazakely vao telo taona monja manazava amin'ny reniny ny antony tsy itiavany mihinana orita atao sakafo. Miaro ny heviny ity zazakely Breziliana ity hoe tsy tiany ny mihinana hena satria "rehefa hohanintsika ny biby, dia maty izy ireny," ary satria tiany ny mahita biby, "mijoro, faly", ary nazavainy fa tokony "hikarakara azy ireo" isika fa tsy hoe hihinana azy ireo akory."
Kroasia: Mampiasa Facebook Ny Filoha Josipovic Hanasana Ny Vondron'ny Mpamatsy Vola Ara-Teknolojia Informatika
Nampiasa ny Facebook ny Filoha Ivo Josipović mba hanasana ny vondrona mpamatsy vola amin'ny Teknolojia Informatika ho any Kroasia sy Eoropa Atsimo Atsinanana, hanehoana ihany koa hoe vonona ho amin'ny fihavaozana sy ny fampiroboroboana ny faritra. Tatitr'i Danica Radisic.
SARY: ‘Varavaran-kely Mitodika Any Paraguay Ho An'Izao Tontolo Izao ‘
Mandrakotra lohahevitra samihafa ny mpaka sary Paragoayana Tetsu Espósito sy Elton Núñez ao amin'ny bilaogy Yluux, amin'ny alalan'ny sarin'ny natiora, fomba fanao ara-pivavahana, hetsika ara-panatanjahanten'ny atleta, mozika, fizahantany, ary mihoatra izay koa aza.
Fampisehoan'i Ermia, Mpihira Iraniana, Ny Voaliny
Nisarika ireo Iraniana mpankafy sy mpankahala, izay nanaraka ny fandaharana, ny fanapahan-kevitry ny tanora iray hisarona voaly nandritry ny Googoosh Music Academy, fampisehoana mozikan'ny fahitalavitra miteny Persiana, .