Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Janoary, 2013
Mpanao Gazety Gineana Nanjavona Tampoka Tany Angola
Aiza i Milocas Pereira? Manako eran'ny tambajotra sosialy izany fanontaniana mikasika fanjavonana mpanao gazety sy mpampianatra amin'ny anjerimanontolon'ny tanànan'i Luanda, renivohitr'i Angola izany, toerana nipetrahany hatramin'ny 2004. Ety anaty aterineto, natomboka ny fanangonan-tsonia havantana ho amin'ny Kaomisiona Ambonin 'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'Olombelona.
“Ny fanjaitra” Tantara Iray Hafa Mikasika Ny Vondrom-piarahamonin'ireo Nanova Taovam-pananahana Any Porto Rikò
Matetika amin'ny alina no mivenjivenjy manao ny asany eny amin'ny sisin-dalan'ny tanan-dehiben'i San Juan, ireo mpikambana avy amin'ny vondrompiarahamonin'ireo 'trans' (olona nanova taovam-pananahana) ao amin'ny faritr'i Santurce avy any Porto Riko.“Ny fanjaitra”, fanadihadiana iray vaovao tarihin'ilay mpamokatra horonantsary iray avy eo an-toerana antsoina hoe Carmen Oquendo-Villar, izay tsy miompana loatra amin'ny zava-mitranga eny an-dalana; fa mifantoka kosa amin'ny endrika ambadiky ny sehatra dia ny hatsaran'ny asa hita eny an-dalana izay ametrahan'ireo mpiasan'ny sisin-dalana fitokisana.
Madagasikara: mpiasa 200-n'ny QMM no tsy afa-nandao orinasa nohon'ny mpikomy
Atoa Bill no mitatitra ao amin'ny gazety Madagascar Tribune ny rotaka izay nanery ny fitsaharanasa tao amin'ny orinasa QMM any Taolagñaro [fr] nanomboka tamin'ny Alakamisy faha-10 Janoary lasa teo: les...
Ny dian'ny Lavanila, avy any Meksika ka mipaka any Madagasikara
Atoa Antoine Ganne no mitatitra ny fomba izay nihavian'ny Lavanila avy any Meksika ka zary nampalaza azy any amin'ny ireo Nosy Madagasikara sy La Réunion [fr]. Tantarainy ary fa mpivaromandeha...