Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Avrily, 2015
Niaiky Ny Hadisoany Tao Amin'ny Aterineto Ireo Teratany Japoney ‘Netto-Uyo’ Mpanavakava-Bolon-Koditra Teo Aloha
Nilaza ireo Japoney mpaneho hevitra ety anaty aterineto izay mpanao teny misoritra fankahalana fa voasarika loatra tamin'ny tontolon'ny fanehoankevitry ny farany havanana tao amin'ny aterineto izy ireo mba hialàny amin'ilay fahatsapan-tena ho irery.
Malaza Ratsy Ny Bilaogera Ao Trinidad & Tobago, Toy Ny Olon-dratsy Politika Voakarama Manimba Ety Anaty Tranonkalam-Pifandraisana
Satria voalaza fa manakarama olon-dratsy ety anaty aterineto mba hanaparitaka fanivaivàna sy fanenjehana ara-pirazanana ireo vondrona politika, maneho ny rikorikony kosa momba izany filentehana lalin'ny politika ao Trinidad sy Tobago ireo mpisera .
Mitomany An'Ilay Japone Mpanao Gazety Mahery Fo Izao Tontolo Izao, Tapa-Doha Nohon'ny ISIS
Lavin'izao tontolo izao ny hahatsiahy an'i Goto miankina amin'izay nataon'ny Fanjakana Islamika azy. Ho takalony, maro ny olona tahàka an'i Karim no mankalaza azy noho ny fiaraha-mientana nananany niarahany tamin'ireo izay any amin'ny faritra misy fifanolanana
Tsy Azo Idiran'ny Afrikana Hafa ve i Afrika Atsimo ?
Niaina fanafihana nateraky ny fankahalàna vahiny i Afrika Atsimo, nahitàna daroka, famonoana ary fandoroana sy fandrobàna toerana fivarotana an'ireo vahiny. Olona dimy no maty, ka ankizilahy 14 taona ny iray.