Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Oktobra, 2012
Afrika: Izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa Afrikana
John Karanja no miresadresaka mikasika izay fahasarotana tsy maintsy atrehina amin'ny fananganana foto-piarahamiasa [na platforme] Afrikana: What is an African platform? What does it look like? and perhaps more importantly what does it do? Will it address a Need or a Want? What exactly will make it African? […] Will it work...
Tshady: niharan-doza teo am-piantsonana ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena
Ny mpiblaogy Malaika no mitatitra [fr] fa teo am-piantsonany any amin'ny faritr'i Kalaït dia niharan-doza ny fiaramanidina izay nitondra ny filoham-pirenena Tshadiana Idriss Deby. Tsy nisy ny aina nafoy. Handray anjara amin'ny vovónana mikasika fampandrosoana sy fandriampahalemana amin'iny faritra iny no anton-diany tany.
Ginea-Bisao: Voasambotra i Pansau N'Tchama izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana farany teo
Ny mpiblaogy Zenaida Machado no nanapariaka tamin'ny alalan'ny siokan-tserasera [na twitter] fa: “@zenaidamz: #GuineaBissau: Pansau N´Tchama, the man who allegedly plotted Sunday attack to army barracks which killed six, has been captured” “Voasambotra i Pansau N´Tchama, izay heverina ho mpitarika ny fikasana fanonganam-panjakana tamin'ny Alahady amin'ny alalan'ny fanafihana toby miaramila izay namoizana aina enina.”
Madagasikara: Akory ny halafon'izany atao hoe krizy pôlitika?
Ny namana mpibalogy Razoky no mamehy ny tatitra nivoaka farany amin'ny lafiny ekônômika momba an'i Madagasikara: Depuis 2009, près de 4 millions de personnes de plus gagnent moins de $1.25/jour, le nombre d‘enfants non scolarisés a augmenté de 500'000 et 336'000 emplois ont été perdus en raison de la crise...
Madagasikara: Vokatry ny fikarohana mikasika ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany
Ny praograma ASM-PACE izay sady mifantoka amin'ny fitrandrahana kely velarana ny harena an-kibon'ny tany [ASM na Artisanal and Small-scale Mining] no mifantoka koa amin'ny faritra natokana hiarovana ireo zavaboahary sy ny tontolo-iainana osa [PACE na Protected Areas and critical ecosystems] no nanapariaka ny vokatry ny fikarohana amin'izay fomba mety hataon'i Madagasikara...
Madagasikara: dingana lehibe no vitan'ny Global Voices amin'ny teny Malagasy
Vao avy napariaka ny lahatsoratra faha 5'000 nadika amin'ny teny Malagasy ny tetikasa Lingua Global Voices amin'ny Malagasy.