Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Jolay, 2014
Miondrika Amin'ny Mpitandro Ny Filaminana Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Miaro Ny Demokrasia Any Hong Kong, Fa Tsy Amin'ny Ray Aman-dreniny Mandritra Ny Sakafo
Olona an'arivony maro no naneho mafy ny fitakiany fifidianana malalaka, fa maro amin'ireo mpikatroka mafàna fo no mbola sahirana miresaka amin'ireo ray aman-dreny mitàna ny heviny taloha.
77 Taona Lasa, Nanomboka ny Ady Teo Amin'i Sina sy Japana Izay Nahafatesan'Olona An-tapitrisany
Niresaka mikasika ny fitsingerenantaona ny Filoham-pirenena Sinoa Xi Jinping, raha toa ka nangatsiaka ny fifandraisana teo amin'i Pékin sy Tokyo noho ny disadisa miainga amin'ny fiadiana ireo nosy sy ny fitmboan'ny fitiavan-tanindrazana eo amin'ny firenena roa tonta.
Tonga Hatrany Bahrain ny Fampihorohoroana Isam-paritra
Niteraka fifanoheran-kevitra teo amin'ny firenena, izay efa mangotraky ny tsindry hazo lena ara-sekta, ny vaovao manasongadina fa hitsidika an'i Bahrain ilay Saodiana mpitari-pivavahana henjam-pihetiksa, Mohamad Al Arefe.
Mitady Fanohanana Avy Amin'ny Vahoaka ny Fikambanana Mpanao Tantara An-dampihazo iray Hamokarana an'Ity Tantara an-tsehatra “Mahery vaika” mikasika ny fifankantiavan'olon-droa mitovy fananahana ity any Kioba
Mitantara ny fanararaotana ny sy ny fanagadrana ny olon-droa mitovy fananahana mifankatia tany Alemana Nazi ka nitarika ny Ady Lehibe II ny "Bent".
Ny Fahatafintohinana Sy Hatezeran'ny Vahoaka Aostraliana Tamin'ny Sazy Nomen'ny Fitsarana Ejipsiana Ny Mpanao Gazetin'ny Al Jazeera
Ny mpanao gazety no voalohany naneho ny fihetseham-pony tao amin'ny haino aman-jery sosialy mikasika ny hatezeran'ny vahoaka Aostraliana tamin'ny sazy efain' ireo mpanao gazetin'ny Al Jazeera any Ejipta.