Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Novambra, 2012
Ireo fehin-dalàna any Madagasikara dia tsy mahafehy ny fampanjariana volabe amin'ny fitrandrahana ny harena akibon'ny tany
Ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana “Bemolanga-Total watch” no mitatitra fanamarihan'ireo mpahay lalàna any Madagasikara [fr]: le code minier malgache et la loi sur les grands investissements miniers (LGIM) ne...
Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena
Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.
Madagasikara: Fanenjehana Mpanao gazety sy Mpiblaogy maro izay nitatitra mikasika ireo fanondranana andramena tsy ara-dalàna
Ny fikambanana miaro ny fahalalaham-pitenen'ny mpanao gazety manerantany ‘Reporters sans Frontières’ (RSF) no nitatitra fa mpanao gazety efatra sy mpiblaogy iray no atao fanoavana nohon'ny fanalambaraka sy “tsikombakomba amin'ny fampielezana...
Enim-bolana am-ponja no sandan'ny opa atao amin'ny mpanjakan'i Bahrain amin'ny siokan-tseratsera
Ny iray tamin'ireo mpisiokan-tseratsera efatra izay voatana [en] any Bahrain ka natao fanóavana ho nanopa ny mpanjakan'i Bahrain, dia naharay androany ny didim-pitsarana manameloka azy enim-bolana am-ponja. Araky nampitain'i Mohammed...
Mpisiokan-tseratsera efatra no indray nosamborina tany Bahrain
Araky ny fanambaran'ny Ministeran'ny Atitany any Bahrain dia “olona efatra no indray nosamborina noho izy ireo nampiasa vilana ireo Tambajotra Sosialy.” Raha vakiana anefa ny tatitra [en] dia tsy tena mazava loatra izay heloka anaovana fanoavana azy...
Madagasikara: Baomba mandatsa-dranomaso tafiditra an-tranofianarana
Ny vohikalam-baovao Madonline no mitatitra [fr] fa tafiditra an-tranofianarana ny iray tamin'ireo baomba mandatsa-dranomaso natsipin'ireo miaramila hanaparitahana ireto mpianatr'Ankatso izay mitokona [fr] nohon'ny fitakiana ny vatsim-pianarana izay mbola tsy narotsaka foana....
Kenya: Izay vokatry ny fampiasana teknôlôjia amin'ny Fitantanam-pitondrana
Will Mutua no manoratra mikasika ny tatitra iray nivoaka izay namakafaka ireo fomba entin'ireo kandidá filoham-pirenena, amin'ny fifidianana amin'ny taona 2013, ampiasana ny siokan-tseratsera [na Twitter].” This first report (a...