Mpanoratra Taloha · Avrily, 2013

Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Avrily, 2013

Azon'i Shipra Atao Ve Ny Mivoaka Ny Lavaka Mangitsokitsoka? Vahaolana Telo Ho An'i Shipra Hialàna Amin'ny Krizy Ara-bola

  26 Avrily 2013

Manohy ny hazakazany mankany amin'ny bankiropitra ny nosikelin'i Shipra. Miatrika toe-draharaha sarotra ilay repoblika Mediteraneana taorian'ny fanapahan-kevitra Eoropeana ny hanisy hetra ho an'ny mpametra-bola rehetra. Vahaolana telo no miseho ho an'ilay nosy: hitondra fifanarahana miaraka amin'i Eoropa, hitodika any amin'i Rosia, na ny hanambara fa bankirompitra ary hiala ny faritra Euro.

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

  15 Avrily 2013

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo ary mangataka azy izy ireo hanajanona ilay rafitra.

Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady

  15 Avrily 2013

Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR ao amin'ny vohikala aoraha.com, ireo kandidà efa nirotsaka sahady dia: Tsy niandry ela fa kandidà telo avy hatrany no nirohotra nanatitra ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana amin’ny fifidianana Filohampirenena tetsy amin’ny birao misy ilay Vaomiera manokana misahana ny raharaham-pifidianana tetsy Ambohidahy, omaly [ndlr. Alatsinainy 8 Aprily] […] Praiminisitra lefitra misahana ny Fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Hajo Andrianainarivelo […] ny filohan’ny antoko Mts, Roland Ratsiraka […] ny mpitarika ny antoko Psdum, Lahiniriko Jean. Narahin’ireo...