Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Jolay, 2015
Nampidirina Am-Ponja Tao Singapore Izy Fa Nanakiana Ny Praiminisitra Teo Aloha, Nefa Mbola Mitoraka Bilaogy Ihany
"Miandry mafy ny fanjavonan'io hazavana io ireo mpiray sela amiko isanandro, ahafantaran'izy ireo fa tapitra indray ny andro iray, ary mihamanakaiky ny fotoana hahazoany ny fahafahany."
Nilaza Ilay Teratany Meksikana Mpanoratra Fa Tsy Toy Ny Akanjo Famehy Adala Akory Ny Teny, Fa Fitaovana Entina Hanombohana Resaka Amin'ny Fiteny Roa Samihafa
Zatra mamoaka ny sanganasany amin'ny fiteny Espaniola i Cristina Rivera Garza, fa taorian'ny nipetrahany tao Etazonia nandritra ny 25 taona, dia nilaza izy fa ny fahaizany manoratra amin'ny fiteny Espaniola sy Anglisy dia nitondra zava-tsoa maro teo amin'ny traikefany.
Nofosafosain'ny Vahoaka Toniziana Ny Governemanta Nohon'ny Tsy Fahombiazan'Ny Fandriampahalemany Taorian'Ny Fanafihana Toeram-Pitsangatsanganana Iray
Nanakiana ny tsy fahombiazan'ny governemanta amin'ny resaka fandriampahalemana ny vahoaka Toniziana vokatry ny fisian'ny fanafihana teny amin'ny toeram-pitsangatsanganana iray teny amoron-dranomasina, namoizana ain'olona miisa 39.