Mpanoratra Taloha · Febroary, 2013

Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Febroary, 2013

Voin-Kava Mahatratra taorian'ny voina nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Haruna tany amin'ny faritra Atsimo-Andrefana Madagasikara

Araky ny Birao Nasionaly Misahana ny Fiahiana ny Loza Voajanahary na ny BNGRC taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Haruna dia nahatratra 23 ny isan'ireo aina nafoy, 16 ireo tsy hita popoka, 126 ireo naratra ary miisa 38'778 ankehitriny ireo voadona ka ny 12'500 amin'ireo dia tsy manan-kialofana... Mbola mitohy ny fanisana

28 Febroary 2013

Manakenda Ny Artista Ny Lalàna Ao Japana Mikasika Ny Fahavetavetana

Nosamborina ilay mpaka sary lamaody antsoina hoe Leslie Kee noho ny famarotana sary mamoafady tamin'ny fampirantiana nataony farany teo tao Tokyo. Fa fanehoana talenta ve ny sanganasany sa fanehoana fahavetavetana? Ao anatin'ity lahatsoratra ity isika dia mahita ny fisian'ny lalàna izay 'manamavo' ny fanehoana ny talenta ao Japana.

19 Febroary 2013

Fidirana Teo Amin'ny Sehatra Politika Somary Nisamboaravoara Ho An'Ilay Mpitondra Tenin'ny Governemanta Tao Senegal

Sarotra dia sarotra ny fidiran'i Abdou Latif Coulibaly, Senegaly mpanao gazety mpikaroka fanta-daza, izay lasa minisitry ny Fahaiza-mitantana sady mpitondra teny ny Governemanta Senegaly teo amin'ny sehatra politika . Niteraka fizarazaran'ny fomba fijery maro be teo amin'ireo mpikatroka mafana fo sy ny mpitoraka bilaogy Senegaly ny fivoahana farany nataony vao haingana kely teo, izay manavaka ireo mpanao hetsiky ny M23 amin'ny Y'en a marre

08 Febroary 2013

Karaiba: Inona No Nitranga Tamin'ny 2012 (Tapany 1)

Tamin'ity taona ity, nifarana tamin'ny fitokonana tsy hihinan-kanina izay nahavaka ny saina, ireo tranga tao amin'ny tontolon'ny bilaogy teo an-toerana. Saika mijery ireo lohahevitra izay tena nandranitra resadresaka tamin'ny aterineto teo amin'ny tontolon'ny bilaogy Bahamiana, Kiobana ary Karaiba miteny Frantsay, ny tapany 1 tamin'ity fintina 2012 ity.

07 Febroary 2013

Mandao An'i Tiorkmenistana Ireo Mpirotsaka An-tsitrapon'ny Peace Corps

Nolazaina fa hanakatona ny fandaharan'asany any Tukrmenistan ny Peace Corps - fandaharanasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo tantanan'ny governemanta Amerikana - ary hiala ny firenena izy ireo ny faran'ny 2012. Maro ireo Turkmen mpampiasa aterineto no mihevitra fa handatsaka lalina kokoa ny firenena anatin'ny fitokana-monina sy hametra ny fahafahan'ny tanora hahazo fanabeazana izany fisintahana izany.

05 Febroary 2013

“Sorohy ny Hetsika Ivelan'ny Trano” – Nahatratra Ny Taha Avo Indrindra Ny Rivotra Maloto Any Beijing

etroka mavesatra nitarazoka be nandritry ny 4 andro miaraka amin'ny fanazavana ara-maoraly ny fipitipitin'ny loto no namely ny renivohitra Sinoa tamin'ny tapatapaky ny volana Janoary, niteraka lohatenim-baovao lehibe ary nampanonjanonja ny vondom-piarahamonina iray tety anaty aterineto izay nanjary lasa niha-nahery feo mikasika ny olana ara-tontolo iainana.

05 Febroary 2013