Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Oktobra, 2011
Madagasikara : Mivantana tamin'ny siokantsera ny fahatongavan'ny Praiministra vaovao Jean-Omer BERIZIKY
Narahin'ireo mpisiokantsera any Madagasikara ary notateriny mivantana ny fanendrena ny Praiministra vaovao. Tamin'ny teny fohy no nanambaran'ny namana Avylavitra fa “Beriziky Omer -n'ny ankolafy Zafy Albert no lany ho Praiministra.”
Mozambika: Sary tsy fahita matetika, filoham-pirenena eo am-pandihizana
Nahoraka sy nieli-patrana vetivety monja anivon'ny serasera Facebook any Mozambika ny sarin'ny filoham-pirenena Mozambikana Guebuza eo am-pandihizana, hany ka tafahoatry ny 500 ireo mpankasitraka ary maherin'ny 440 kosa ireo hafatra...
Madagasikara: Hataka fifidianana malalaka ataon'ny mpiblaogy iray amin'Ingahibe Noely
Amin'ny taratasiny hoan'Ingahibe Noely [fr], izay ao amin'ny blaoginy Toliara tsy miroro ny namana Andriamihaj dia mitanisa ireo vetso sy tsiahy manodidina ny fotoam-pifidianana am-pandriam-pahalemana sy izay mahamanina azy indrindra:...
Tany Madagasikara ve no nipoiran'ny Filozôfia arahin'ny “Idongío i Wall Street”?
Dan Berrett no mandahatra ao amin'ny gazety ‘Chronicle of Higher Education’ fa: Occupy Wall Street's most defining characteristics—its decentralized nature and its intensive process of participatory, consensus-based decision-making—are rooted in...
Okraina: Ny Filoha Yanukovych Ao Anatin'ny The Simpsons?
Ny tantara farany nivoaka tamin'ilay andian-tsarimiaina The Simpsons dia nieli-patrana tany Okraina noho izy nanao kisarisary mampihomehy momba ny firenena sy ilay jiolahy mafia any Kiev antsoina hoe Victor, izay, araka ny navoitran'ny mpiondana aterineto, dia mitovy amin'ny Filoha Okrainiana Viktor Yanukovych.
Blog Action Day 2011: Andao Hiresaka Momba Ny Sakafo
Ny Blog Action Day dia hetsika fanao isan-taona izay iarahan'ireo mpitoraka bilaogy eran-tany manoratra mikasika ny olana iray ao anatin'ny andro iray. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny sakafo, satria ny Blog Action Day dia mifandraika amin'ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny sakafo, hetsika iray karakarain'ny Sampan'ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo sy ny Fambolena.
Madagasikara: doro-trano namotika trano 164 any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin]
trano miisa 164 no potiky ny doro-trano any any Amparihy, Taolagñaro [Fort-Dauphin] Madagasikara