Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Avrily, 2017
Miatrika Fanamelohana Bevava Noho Ny Fampiasana Amin'ny Tsy Tokony Ho Izy Ny Solosaina Ilay Ogandey Mpampianatry ny Anjerimanontolo Sady Mpitarika Ny Fanentanana Sy Fanabeazana Ho An'ny Fampiasana Salaka
Lasa anton-javatra hirohotan'ny Ogandey izay manohitra ny fitondran'i Musveni ny tantaran'i Nyanzi.
Lazain'ireo Rosiana Mpanao Gazety Fa Halatra Ny Iray Amin'ireo Tantaran'ny NYT Nahazo Loka Pulitzer
Ny News York Times no nahazo ny loka Pulitzer tamin'ny taona 2017 tao anatin'ny sokajy tatitra iraisam-pirenena noho ny lahatsoratra folo momba an'i Rosia. Nilaza ny vohikala Rosiana Meduza fa halatra ny iray tamin'ireo tantara ireo.
Sivana Nihanjahanja: Fahitalavi-panjakana Iraniana Manapaka Fandaharana Eny Antenantenan'ny Fehezanteny
Tanatinà fisomparana fandaharana tsy mahazatra tamin'ny herinandron'ny 14/04, notapahan'ny tambajotra ofisialin'ny haino aman-jerim-panjakana ao Iràna teny antenatenan'ny fehezanteny ny fahan'ny lahatsary iray mivantana, nanivana ny fandrakofana ny fifidianana.
Ho Anà Somaliàna Iray Mizaka Zom-pirenena Anglisy, “TebokaTsy Azo Iverenana” Ny Brexit
"Tsy ilay Angletera izay nahalehibe ahy ity, ilay niriako fatratra hambara ho misy ahy."
‘Mama Afrika’ ao Meksika Mampiantrano Mpifindramonina Avy Nanao Dia Lavitra
Lasa fiatoana mahazatra ireo mpifindramonina reraka avy any Arfika sy Haiti handeha hianavaratra ny trano fandraisambahiny iray tsy misy mari-pamantarana manamorona ny sisintanin'i Meksika sy Guatemala.
Trano Voazara: Etiopiana Mpihazakazaka Nosarahan'ny Politika, Miatrika ny Hazakazaka Lavitr'ezaka Any Londra
Feyisa Lelisa sy Kenenisa Bekele, roa amin'ireo mpihazakazaka lavitr'ezaka goavana indrindra eto amin'izao tontolo izao, dia samy avy amin'ny foko iray ihany. Fa hatro amin'izay ihany no miato ny fitoviana.
LOUDNESS, Kintan'ny Mozika Metaly Japoney Voaroaka Tao Amin'ny Sisintany Amerikana
"Tafaverina aty Osaka aho rehefa avy nanao sidina nandritra ny 27 ora. Tena kivy be."
‘Zelyonka:’ Ny Famonoana Otrikaretina Manohitra An'i Putin
"Nanjary loko tsy ofisialin'ny hetsiky ny mpanohitra any Rosia ny "Maitso mangirana".
Ara Malikian, Mpitety Vazantany Sy Mpitendry Lokanga
Nitafa tamin'i Ara Malikian, armeniana lehibe tany Libanona, mpitendry lokanga, momba izay namolavola ny fiainany sy ny mozikany ny Global voices.
Ilay Rakitsary Niparitaka Be Nampiseho Kashmiri Mpanao Hetsi-panoherana Nafatotra Amn'ny Jeep-n'ny Miaramila Indiana
Lahatsary avy amin'ny fitsapankevitra momba ny fifidianana vao haingana tany amin'ny fanjakana farany avaratra indrindra any Jammu sy Kashmir, izay nahafatesana mpanao hetsi-panoherana maherin'ny valo ary naharatran'ny mpitandro filaminana Indiana am-polony.