Mpanoratra Taloha · Marsa, 2009

Lahatsoratra farany an'i Mpanoratra Taloha tamin'ny Marsa, 2009

Kazakhstan: Tantaran’ny Krizy teo amin’ny tontolon’ny blaogy

  14 Marsa 2009

Manohy manaraka akaiky ny toe-draharaha ao amin’ny firenena sy ny fikasan’ny governemanta hamerina ny toe-karena sy ny tontolo hafa eo amin’ny fiainana ara-tsosialy ho “fehezina amin’ny fomba mivantana (fanaraha-maso an-tanana)” ireo mpamaham-bolongana ao Kazakhstan Mitanisa I Dass, minisitry ny asa izay nanambara tao amin’ny fivoriamben’ny governemanta fa manodidina ny 900...

Pakistana: Nanjakan'ny tahotra ny lalao Cricket!

  12 Marsa 2009

Andian-jiolahy roambin’ny folo no nanafika ireo ekipa mpilalao cricket (fanatanjahantena baolina kapohina amina hazo) androany maraina mialoha ny lalao niaraka tamin’ny ekipa Pakistana tao Lahore. Nahafaty olona fito ireto tsy mataho-tody lian-drà, anisan’izany ireo polisy 5 maty voatifitra ary teo koa ireo mpilalao Sri Lankey 6 naratra. Mitana fitaovam-piadiana hari-fomba ireto mpampihorohoro,...

Ejipsiana manohitra rikoriko: fampielezan-kevitra anterineto anoherana ny tabilaoben’ny Maadi

  11 Marsa 2009

Nifoha tamin'ny torimasony ny mponina Maadi teo anatrehan'ireo tabilaobe elekronika izay napetraka teo amin'ny fidirana mankao amin'ny faritra misy azy ireo. nandray ny fanapahan-kevitra ny mpamaham-bolongana iray manohatra ny kirakira vaovao anterineto, ary mitarika ny mpanohana rehetra hametraka ny lalana vaovao entina hamehezana ny fampiasana ny tabilaoben-dokambarotra sy hiarovana ny tontolon'ny faritra, araka ny tatitra nentin'i Nermeen Edrees.

Israely: Noraisina tamin-kafanampo ny rindrin’ny hatsiaka

  08 Marsa 2009

Noraisin’ireo mponina tamin-kafaliana aok’izany ny rotsa-panala sy ny ranomandry izay nampangatsiatsiaka an’Israely tamin’ity herinandro ity. Kely sisa dia ho tapitra ny vanim-potoanan’ny orana, maro ireo matahotra fa ho tafiditra ao anatin’ny haitany mahatsiravina noho ny ny rotsak’orana kely dia kelin’ity taona ity ny vanim-potoanan’ny fararano.

Meksika: Notsongaina handray anjara amin’ny mozika Orkestra YouTube ny mpitendry anankiroa.

  08 Marsa 2009

Notsongaina hilalao ao amin'ny Mozika Orkestra Iraisam-pirenena ireo mitendry Meksikana roa, tetika fiaraha-miasa ampiasaina ny gazety ara-tsosialy amin’ny alalan’ny haino an-tsofinan’ny horonantsary YouTube. Samy nampiditra horonantsary mampiseho ny talentany eo amin'ny mozika i Manuel Zogbi avy amin'ny saltillo sy ny mpikirakiran'ny YouTube Intisamente ao veracruz mba hiavaka ao anatin'ny fifaninana.

Miray hina ny mpamaham-bolongana Ejipsiana miatrika ny fampihorohoroana

  08 Marsa 2009

Nanoratra I Eman AbdElRahman hoe ahoana re ny fihetsika asehon’ny tontolon’ny famahanam-bolongana Ejipsiana manoloana ny daroka baomba tao Al Hussein tamin’ny 22 Febroary izay nahafaty mpizaha tany Frantsay ary nandratrana olona mihoatra ny 20 isa. Te hiresaka ho androany mikasika ny vondron’ny mpamaham-bolongana Ejipsiana sy ny fanapaha-kevitr’izy ireo hiady manohitra ny fampihorohoroana.