Sylvia Aimée · Desambra, 2018

Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Desambra, 2018

Ny Loza Nanjo ireo Kongoley Voaroaka Tany Angolà

  16 Desambra 2018

Araka ny fanambaràna nataon'ny Kaomisaià Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny zon'olombelona (OCHA), nanomboka tamin'ny fiantombohan'ny volana oktobra, olona eo amin'ny 330 000 eo ho eo tsy nanana taratasy ara-dalàna tao amin'ny fireneny no noroahan'ny Governemanta Angoley, indrindra indrindra mankany amin'ireo faritanin'i Kasaï afovoany sy Kwango ao amin'ny Repoblika demokratika an'i Kongo

Slovakia: Tsy Fanekena ny Fisian'i Kosovo

  14 Desambra 2018

Tamin'ny 17 febroary 2008, nanambara ny fahaleovantenany i Kosovo. Hatreto, 43 tamin'ireo mpikambana miisa 192 ao amin'ny Firenena Mikambana no nanaiky [teny anglisy] an'io fahaleovantena io, izay i Etazonia, i Kanadà, i Aostralia, ary ny ankamaroan'ireo fanjakana ao amin'ny Firaisambe Eoropeana. Ny Fanjakana tena mandà mafy an'io fahaleovantena io, eo ankilan'i Serbia, dia i Rosia.

Ireo Taridàlana Ho an'ny Fanaovana Tatitra Voalohany Indrindra

Blaogim-Piarahamonina GV  14 Desambra 2018

Amin'ny ankapobeny ny Global Voices dia vohikala iray faharoa amin'ny fizaràna tatitra fanadihadiana - fidiantsika ireo loharano izay mandefa mivantana amin'ny aterineto ary tanisaintsika ireo fanadihadiana navoakan'ireo media hafa. Saingy matetika, isika no manao ny tatitra voalohany.

Kazakhstan: Fanamboarana Ny Governemanta

  08 Desambra 2018

(Janoary 2007) Nitranga tamin'ity herinandro ity ny fanamboarana ny governemanta ao Kazakhstan ary - tsy nisy fiavahana tamin'ity indray mitoraka ity - fotoana tena tsara indrindra mba hanopaza-maso ny tsy fahita firy any ambadiky ny fiangaly Kazakh amin'ny sehatry ny fitondran'ny samy 'sangany avy ao anatiny'.'.