Sylvia Aimée · Jona, 2018

Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Jona, 2018

RV 5 Taona: Fijoroana Vavolombelona Amin'ny Fifohazan'Ireo Vehivavy Iemenita

Rising Voices  30 Jona 2018

Anisany iray nahazo tombony tamin'ny tetikasa Rising Voces ny "Fahavitantenan'ireo Vehivavy iemenita Mpikatroka amin'ireo Tekinika Vaovaon'ny Media", notarihan'i Ghaida'a Al Absi. Nieritreritra izy fa sahala amin'ny jiro jabora anatin'ny maro ny tetikasa EWAMT, izay manazava ny haizina ao Yemen. Ary nanaporofo marina io satria nanana fahasahiana ireo mpandray anjara sasantsasany tamin'ny fanoratàna momba ireo savorovoro politika nandritra ny revolisiona tao Yemen tamin'ny taona 2011.

La Barbade : Inona No Nanjo an'i Akobi Tacuma Maloney?

  28 Jona 2018

Vokatry ny fahafatesana nampiahiahy nanjo ny Rastafariana iray mahira-tsaina , nanokatra blaogy AfriKa CRY BLOOD ny Conseil lchirouganaim ho an'ny Fandrosoan'ny Rastafari (ICAR) mba "hampahafantarana, hiarovana ny fahatsiarovna ary hiarovana ny Ras Tacuma.

Kibera: Mampahafantatra Bebe Kokoa An'ireo Vondrom-piarahamonina Voahilikilika

Rising Voices  21 Jona 2018

Nandritra ny Fihaonambe an'ny Global Voices tany Naïrobi tamin'ny taona 2012, vondrona iray tamin'ireo mpikambana mpikarakara no tonga tany amin'ny tanàna faran'izay tsizarizary ao Kibera. Anisan'izany i Leila Nachawati ary tafahaona tamin'ireo tomponandraikitra eo an-toerana sy ireo mpandray anjara amin'ny Map Kibera trust, izay miezaka ny manentana ny tontolo ivelany amin'ireo filàn'ny mponina ao Kibera, amin'ny fampiasana ny lahatsary sy ireo media sosialy. Inty ny tatitra mikasika ny fitsidihany.

Okraina: Fanaovana Blaogy, Karazana Fitsaboam-panahy

Rising Voices  09 Jona 2018

Okrainiana iray mpikatroka ho fampihenàna ny vokadratsy sady blaogera, Victoria Lintsova, tao amin'ny tafatafa anaty imailaka iray no nizara niaraka tamin'ny Rising Voice ny fijeriny sy ny heviny mikasika ny fomba nanampian'ny fanaovana blaogy azy sy ny fikambanany.