Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Oktobra, 2018
Iraka-USA : Raed Jarrar no tompon'ny teny farany
resaka fanavakavahana tsy ara-dalàna, niainga fotsiny tamin'ny nitafiany 't-shirt' nisy soratra tamin'ny teny arabo sy ny anaran'ny foko misy azy
Brezila: Bush miatrika hetsipanoherana. Orogoay miomana
Raha miohatra amin'ireo polisy miaramila... tsara fiomanana ilay vehivavy breziliàna mpiblaogy an-tsary, Tatiana Cardeal, niaraka tamin'ny fitaovany fakàny sary, nandritra ireo hetsipanoherana nanoherana ny fitsidihan'ny filoha amerikàna George Bush.
Tapahan'i Osaka Ny Fifamatorana Maha-tanàna Mpirahavavy an'i San Francisco sy Osaka, Noho ny Resaka Sarivongan'ireo ‘Vehivqavy Mpanala Sorisory’
Nanoratra taratasy 10-pejy amin'ny teny Angllisy ho an'ny Ben'ny tanànan'i Osaka - matetika soratra matevina, fehezanteny voatsipika - fitanisàna an'ireo antony mikasika ny fanapahana fifamatorana.
Bangladesh: Ireo Fifidianana 2008 Sy Ny Fikatrohana Anaty Aterineto
Fifidianana tao Bangladesh ny 29 Desambra 2008, fifidianana solombavambahoaka efa tena nandrasana fatratra. Fampielezankevitra mizotra amin'ny fomba tena samihafa amin'ny fifidianana filoham-pirenena natao vao tsy ela akory tao Etazonia, ka tany ireo median'ny olom-pirenena, ny fanentanana fifidianana sy ny fanangonambola, amin'ny aterineto, dia tena nanan-danja tokoa
Nahoana No Miresaka Fanandevozana Ireo Tantara Noforonin'ny Afrikana Sy Haisiana ?
Nahoana no atsidika kely fotsiny ao anaty tantara Afrikana sy Haisiana noforonina ny resaka fanandevozana? Io no fanontanian'i Kangni Alem, Togoley blaogera monina ao Frantsa, nalefany tao amin'ny fampidirana am-biloagy miparitaka be iray sy voasaina tsara. Malahelo izy fa ny tantara afrikana dia tsy ahitana an'ireo andalan-tsoratra maro mikasika ny onjam-panandevozana izay nanafay ny tanibe ary tsipihany fa tsy manan-danja lehibe amin'ny literatiora haisiana ihany koa izany, hitany ho azo leferina ihany ireo antony'ny fanesorana izany ho an'ireo haisiana mpanoratra.
Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray
Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao Darfour sy mikasika ny maha-voarohitohy an'i Shina.
Maldiva: Fanakatonan'ny Blaogin'ireo Mpanohitra Sy Mpanenjika Silamo
Vohikala marobe nampangaina ho mpanohitra sy mpanenjika silamo no tsy azo idirana intsony ao Maldiva. Nanome baiko ny Tomponandraikitry ny Serasera [Telecommunication Authority of Maldives (TAM)] ny Minisitry ny Raharaha Silamo mba hanakatona ny fidirana amin'ireo vohikala ireo.
Inona No Mitranga Ao Amin'ny Tontolombolongana Afrikana
Ho hitanao amin'ny famakiana an'ity lahatsoratra ity ny sombintsombiny vitsivitsy tamin'izay nitranga tao amin'ny tontolombolongana Afrikana.
Angolà: Niteraka Adihevitra Mikasika Ny Fanavakavaham-bolonkoditra Ny Fandroahana Mpanao Gazety Avy Ao Amin'ny Trano Fisakafoanana
"... tsy zavatra vaovao ao Angolà ny fanavakavaham-bolonkoditra; saingy aleon'ireo olona minia mody tsy mahalala toy ny tsy misy na inona na inona mitranga"
Torohevitra Ho An'ireo Mpandikateny Vaovao – Fizaràna Faha 3: Fomba Fiteny Sy Media Sosialy
Manana ny anjarany amin'ny fifampizaràna traikefa ireo media sosialy, izay tena sarotra adika. Tsy maintsy tena mahafantatra ny hevitra manodidina izay voalaza.