Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Septambra, 2023
Noho ny sivana atao amin'ny solika fôsily, manao ankivy ny valisoa fanomen'ny haino aman-jery ireo Aostraliàna mpanao sariitatra
"Taona 2023 izao, ary tsotra fotsiny tsy azo ekena ny hoe ny loka ambony indrindra amin'ny asa fanaovan-gazety Aostraliana dia tohanan'ny solika fôsily, tsy misy mari-pankasitrahana manokana ho an'ny asa fanaovana gazety famoaham-baovao mikasika ny toetrandro"
Tiorkia : Sakanan'ireo mpandraharahan'ny fifandraisandavitra ny fidirana amin'ilay tranonkala Web malaza Ekşi Sözlük
Noho ny antony mitovy, tamin'ny 7 Febroary, nosakanan'ny manampahefana ny Twitter, sehatra media sosialy iray hafa malaza .
Minisiteran'ny ny Fambolena ao Kambodza, mandrahona hanejika ny CamboJA news eny amin'ny fitsaràna
"Ao anatin'io rafitra io, ny andrasana amin'ireo mpanao gazety dia ny hanaraka ny voafaritry ny fahefana fa tsy ny hanohitra azy ireo"
Fitsikerana ny zavakanto Rosiàna : “Tsy azo vonoina na potehana ny zavakanto an-dalambe”
Hatramin'ny niantombohan'ny ady, dia mbola olana ny satan'i Yekaterinburg, renivohitry ny zavakanto an-dalambe Rosiàna : niala an'i Rosia ireo mpanakanto sasany, raha ireo hafa kosa nogadraina noho ny asany manohitra ny ady.
Ireo firenena enina nahazo fanasàna ho isan'ny klioba BRICS
"Ny fihitarana sy ny fihavaozan'ny BRICS ho maoderina dia hafatra iray izay ny andrim-panjakana rehetra maneran-tany no mila azy mba hamolavolana ny tenany hifanaraka amin'ny fiovaovan'ny fotoana."
Fahafatesana tovolahy miteraka adihevitra momba ny herisetran'ny pôlisy ao Môzambika
Maty rehefa avy nosamborin'ny pôlisy tao an-tampon-tanànan'i Maputo i Massacar Abacar, fantatra amin'ny anarana hoe "Cebolinha". Misy milaza fa nodarohan'ny pôlisy izy
Denyse Plummer, ilay mpanjakavavy tsy nampoizin'ny calypso ao Trinidad & Tobago, mamela lovam-pitiavana, fiderana ary fitiavan-tanindrazana
"Nopotehany ny sakana ary nosokafany ny làlana ho an'ireo vehivavy mpanao calypso, tamin'ny fanehoana fa ny herin'ny feon'ny olona iray dia mihoatra lavitra noho ny maha-lah sy vavy ary ny tantara niaviana."
Shina : itarainan'ireo zokiolona ny fanavaozana ny fiahiana ara-pahasalamana
Na teo aza ireo ezaka marobe nafafin'ireo media ôfisialy mba hanasongadinana ny endrika miabo ananan'ilay fanavaozana ny fiantohana ara-pahasalamana, mitohy mihitatra ny tsy fahatokian'ny vahoaka
Môzambika, miady ho an'ny zon'ny fikambanana ny fikambanan'ireo fiarahamonim-pirenena
Ny fiarahamonim-pirenena ao Mozambika dia nanangana hetsi-panoherana iray atao hoe "Ho fiarovana ny zon'ny Fahalalahan'ny Fikambanana ao Mozambika"