Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Aogositra, 2021
Taokanton'ny làlana atao hetsipanoherana ao Kazakhstana, lasa mahazatra
Hatramin'ny 2019 nametrahan'i Nazarbayev ny fialàny, nisy hetsika fanoherana vaovao teraka tao Kazakhstana nisafidy ny arabe ho toerana fiadiana. Tamin'ity indray mandeha ity dia trano fampiasan'ny daholobe ao Almaty no lasibatra.
Koety: niteraka tabataba ny fampianarana dihin'ny kibo tao amin'ny toerana iray fanatanjahantena ho an'ny vehivavy, nitondra hatramin'ny firotsahana an-tsehatry ny governemanta
Nampisafoaka ireo mponina fatra-pifikitra amn'ny nentindrazana sy ireo foko ao an-toerana ilay toerana fanaovana fanatanjahantena, ao amin'ny tanàna avaratra ao Al-Jahra. Ho azy ireo dia manitsakitsaka ny soatoaviny sy ny fombandrazany ireo kilasy fampianarana dihin'ny kibo.
Tsy azo itokiana ve? Mitombo ny fanelezana vaovao diso momba ny COVID-19 ary ny fifidianana ao Amerika Latina sy Karaiba
Mifangarika amin'ny fitobahan'ny vaovao diso sy ny fanelezana tsaho mandifotra ilay faritra ny tsy fahampian'ny torohay azo itokiana momba ireo olana saropady, tafiditra amin'izany ny ady atao amin'ny COVID-19.
Ireo fitenim-paritra, patois: ahoana tsara hoe no filaza azy ?
Fiteny vitsy an'isa no iantsoana ireo fiteny lazaina hoe avy "any amin'ny faritra", raha ny isan'ireo mpiteny no jerena, ary vao mainka aza atao izay haha-vitsy azy noho ny fanilikilihana ara-tantara natao azy ireny.