Lahatsoratra farany an'i Sylvia Aimée tamin'ny Aogositra, 2015
Manangana Ady Ireo Fantsona TV Ao Okraina Noho Ny Fandrarany Ireo Fandaharana Rosiana Manao “Fampielezankevitra”
Vokatry ny fandraran'i Okraina ireo fandaharana Rosiana maro fandefa amin'ny fahitalavitra izay "manindrahindra ny fitondrana Rosiana, ny tafika ary ny fampiharana lalàna", dia efa mikaroka lesoka anatin'ilay fanaovan-dalàna vaovao ireo fantson'ny fahitalavitra Okrainiana.
Faritany Balochistan Mahantra indrindra Ao Pakistana, Nahazo Ny Anjara Asa Federaly Ho Azy Ve?
Hijery ireo Tolotr'Asa Federaly farany indrindra ao Pakistana isika sady hahita fa ny antsasaky ny anjara tokony ho azy ihany no nomena an'i Balochistana.
Ndeha Hijery Ireo Vahoaka Kachin Nafindra Toerana Any Myanmar Avaratra
"Tsy misy fotoana mahafaly eto amin'ny toby. Miady mafy amin'ny fiainana izahay ary matetika izahay dia sahirana foana amin'ny fiainanay."
Ny Tsimatimanota No Fehikibo Mampifandray Ny Fandripahana Tlatlaya, Ny Mpianatra 43 Tsy Hita Ary Ny Fandosiran'i El Chapo
"Imbetsaka ireo manampahefana napetraka hampanaja ny lalàna no nanapa-kevitra ny hamela malalaka na tsy hiraharaha an'io, na avy amin'ny fitiavam-bola tafahoatra, ny tsy fahampiam-pahaizana, ny tahotra na valifaty."
515 Andro Taty Aoriana, Mitarika Fanontaniana Maro Ho An'ny Fianakaviana Ny Potipoti-javatra Hita Tamin'ilay Fiaramanidina 370 Tao Shina
Nandrehitra indray ny sorisorin'ireo fianakavian'ny mpandeha tao anatin'ilay fiaramanidina tsy hita Ireo fifanoheran-kevitra tamin'ny fanadihadiana.
Ankizivavy vs. Andriambavilanitra: Voaisa Ny Andron'ny Jadona Mavokely
Mamporisika ireo ankizivavy tsy hamela ireo fitafy misarika filàna, ireo kiraro avo vodi-tongotra, sy ireo ankosotra ary ny oroky ny andriandahy hangalatra ny zony ary hanapa-kevitra ny amin'izay tiany haha-izy azy, ny lalao virtoaly iray vita ao Bolivia.
Maherin'ny 100 Ireo Olona Novonoina Ivelan'ny Fitsaràna Tany Bangladesh Tamin'ity Taona Ity
"Tsy hainay izay nanjo ny rainay. Tsy fantatray intsony na velona izy na maty Tsy misy fandrosoany ny raharaha."
6 Taona Taorian'ny Namonjana Azy, Milaza Ilay Rain'ny Bilaogy Iraniana Fa Niova Ho Ratsy Ny Aterineto Ankehitriny
Voafonja nandritra ny enin-taona i Derakhshan, mpanoratra taloha tao amin'ny Global Voices, noho ny fitorahany bilaogy. Mitsikera ny toetry ny aterineto ankehitriny ny lahatsorany voalohany amin'ny teny anglisy, hatramin'ny nivoahany ny fonja.
Lahatsary Maneho Gadra Nandositra Tamim-pitokiana Ilay Fonja An-tanàn-dehibe Tany Trinite
Tahaka ny eson'ny olona iray tao amin'ny Facebook, sahala amin'ny "famotsorana am-ponja kokoa iny fa tsy fitsoahana ny fonja".